
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
GILLES HUGON: Hanazatra vonjimaika ny Barea an’i Madagasikara
Voatendry hanazatra vonjimaika ny ekipam-pirenena Malagasy mandritra ny andro faha-6, izay hifandonan'ny Barea an'i Madagasikara sy ny Cœlacanthes an'i Comores eo amin'ny fifanintsanan'ny CAN 2025 i Gilles Hugon.
Taorian’ny fialan’i Rôrô na Rakotondrabe Romuald mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara teo aloha dia nandray fanapahan-kevitra ny teo anivon’ny Komity Mpanatanteraka sy ny Filohan’ny FMF na ny Fédération Malagasy de Football hanolo azy an’i Gilles Hugon, izay efa mpanazatra mpanampy nanomboka ny taona 2023 tao amin’ny Barea an’i Madagasikara.
I Hugon dia tsy zovina amin’ny ekipam-pirenena Malagasy. Amin’ny maha efa mpanazatra mpanampy azy izay, maro ny fifaninanana efa nandraisany anjara niaraka tamin’ny Barea an’i Madagasikara, toy ny lalaon’ny Nosy tamin’ny taona 2023, fifanintsanana ny Mondial 2026 nanomboka ny Novambra 2023, lalao ara-pirahalahiana iraisam-pirenena ny volana Martsa 2024 ary ny an’ny fifanintsanana CAN 2025 any Maraoka.
Manam-pahaizana ara-teknika i Gilles Hugon, manana ny mari-pahaizana Licence A UEFA. Efa niasa an-taonany maro tamin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra malagasy izy, ary efa Tale Teknika tao amin’ny Akademia Carion nanomboka ny taona 2013 ka hatramin’ny 2015. Antenaina fa hitondra firindrana sy fivoarana eo amin’ny ekipam-pirenena ny traikefa sy ny fahaizany, indrindra amin’izao fotoana tena ilàna fanarenana ny ekipan’ny Barea an’i Madagasikara izao.
Hanala vela
Mafimafy ny ady miandry an’i Gilles Hugon na dia efa tsy hisy fiantraikany amin’ny filaharana aza ny fihaonana eo amin’ny Comores sy Madagasikara satria dia, hiezaka ny hanala vela amin’ny Barea ry zareo Cœlacanthes. Raha ny lalao efatra farany nataon’ny roa tonta dia, ady sahala ny roa ary nandresy tamin’ny elanelan’isa 1 hatrany ny Barea. Raha tsiahivina ny vokatra ao amin’ny vondrona A eo amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2025 dia, mitarika amin’ny isa 10 i Tunisie, Comores manana isa 9, Gambie manana isa 5 ary Madagasikara manana isa 2 monja. Tunisie sy i Comores no efa nahazo ny tapakila hiatrika ny CAN 2025 any Maroc. Tsy hampiova na inona na inona ny vokatra eo amin’ny andro faha-6 sady farany eo amin’ny fifanintsanana ny CAN 2025 ao amin’ny vondrona A.
Fanapahan-kevitry ny CAF
Tetsy ankilany, nandamoaka ny fitarainana napetraky ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra (FMF) tany amin’ny Confédération Africaine de Football (CAF) momba ny fanapahan-kevitry ny mpitsara nandritra ny lalao nifanaovan’i Madagasikara sy Gambia ny 11 Oktobra 2024. Nanambara ny CAF fa ara-dalàna ny fanapahan-kevitry ny mpitsara nandritra ny lalaon’i Madagasikara sy Gambia. Araka ny fanazavan’ny vaomieran’ny mpitsara ao amin’ny CAF, dia tsy nisy tsy fanarahan-dalàna ny fanapahan-kevitra noraisina teny an-kianja, na dia nisy aza ny fisalasalana momba ny fitsarana ny zava-nitranga ka niteraka savorovoro teo amin’ny mpanara-baovao sy ny mpankafy baolina kitra.
Njaratiana.


