PolitikaSongadim-baovao
GOVERNEMANTA AMIN’NY ENDRINY VAOVAO: Minisitra vaovao dimy, efatra nafindra departemanta
Omaly no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana vaovao mandrafitra indray ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nanamarika izany ny fanesorana ireo Minisitra lefitra roa, dia ny nisahana ny fandrakofana ala sy ny nisahana ny tanora. Minisitra vaovao miisa dimy kosa no nampidirina anaty Governemanta, ary niisa efatra ireo minisitra nafindra departemanta hafa. Tsy nisy fiovana kosa ny ambiny.
Noraisina ny didim-panjakana laharana faha 2022-400, omaly, manova sy manampy ny andininy sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana laharana faha 2021-822 tamin’ny 15 aogositra 2021 nasiam-panovàna tamin’ny didim-panjakana laharana faha 2021- 845 tamin’ny 20 aogositra 2021 sy laharana faha 2022-227 tamin’ny 12 febroary 2022, manendry ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.
Isan’ireo departemanta nahazo minisitra vaovao ny Minisiteran’ny Fitsarana. Andriamatoa Rakotozafy François no voatendry indray ho mpitahiry ny Fitombokaseam-panjakana. Tsiahivina fa ny Minisitry ny asa, Ranampy Gisèle, no nisahana vonjimaika ny toeran’ny Minisitry ny Fitsarana, taorian’ny fametraham-pialan’ny Minisitra tompon-toerana teo aloha. Voatendry ho Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana vaovao ihany koa i Tokely Justin, izay Governoran’ny Faritra Sava teo aloha, Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro, Ranjatoelina Rolland, Minisitry ny Harena akibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Rakotomalala Olivier, ary ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Vina Orléa.
Efa tao anaty Governemanta teo aloha no naverina
Tetsy ankilany, nisy ireo minisitra efa mpikambana tao amin’ny Governemanta teo aloha ka voatendry hisahana departemanta hafa. Isan’izany Randriamandrato Richard, izay minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola tamin’ny Governemanta fahatelo, ary voatendry ho Minisitry ny Raharaham-bahiny indray. Eo koa i Pierre Houlder Ramaholimasy, minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana teo aloha, ary voatendry ho minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany. Andriamatoa Tinoka Roberto, izay minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro teo, dia voatendry ho minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Ary andriamatoa Ravokatra Fidiniavo, minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny loharanon-karena Stratejika teo aloha, ary voatendry ho minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana.
Nanamarika ity fikitihana ny Governemanta ity kosa ny nanafoanana ny departemantan’ny minisitra lefitra misahana ny Tanora ary ny minisitra lefitra misahana ny Fandrakofan’ala. Ny ministra lefitra misahana ny Fiompiana sisa no voatazona. Marihina fa novakiana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly indray ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, enti-manatratra ny tanjona amin’ny fampandrosoana an’I Madagasikara.




