PolitikaSongadim-baovao

GOVERNEMANTA : Hisy fanovana Minisitra vitsivitsy

Hiroso amin’ny fanaovana tombana na «évaluation» ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta ny Filoham-pirenena, ary hisy ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika izany, araka ny fampahafantarana navoakan’ny seraseran’ny Fiadidiana ny Repoblika omaly. Tsy azo ihodivirana, noho izany, ny fanovana ireo Minisitra sasany eo anivon’ny Governemanta. Araka ny tatitra hatrany dia efa nanolotra fisaorana ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta ny Filoha, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao omaly.

Taorian’ny fisehoan-javatra nisesisesy tato anatin’ny andro maromaro izay, heverin’ny mpanara-baovao fa fotoana mety tokoa izao hanoloana ny mpikambana sasany eo anivon’ny Governemanta. Misy mihitsy aza fanehoan-kevitra sasany manambara fa fandravana Governemanta mihitsy no mety ankehitriny. Ny Filoham-pirenena ihany anefa no tompon’ny teny farany mahakasika izany. Izy rahateo koa no manao ny tombana, ka miankina amin’ny vokatra azo amin’izany tombana izany no andraisana ny fanapahan-kevitra, raha ny lojika. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny zava-misy ankehitriny satria hiroso amin’ny fanaovana tombana na «évaluation» ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta ny Filoham-pirenena ary hisy ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika izany, hoy ny Seraseran’ny Fiadidiana ny Repoblika omaly, raha namoaka fanambarana.

Hisy araka izany ny fanovana ireo Minisitra vitsivitsy, raha ny fanambarana hatrany. Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly dia efa nisy ny fanolorana fisaorana ho an’ireto mpikambana ao amin’ny Governemanta ireto, nataon’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra tamin’ny asa vitan’izy ireo tsirairay avy, na dia nisy aza ny lesoka nandritra izay fito volana niarahana niasa izay, hoy ny fanambarana. Araka ny tombatomban’ny mpanara-baovao, mety hisy ny fikitihana ireo Minisitra izay efa nahabe resaka sy voasaringotra tamina raharaha mafana tato ho ato. Antenain’ny rehetra ihany fa amin’ny fotoana hisiana fanovana Minisitra manaraka eo no hanendrena izay olona tena hitantanana indray ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Minisiteran’ny Harenan-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika. Raha tsiahivina, efa nanao antso ny tokony hanendrena tomponandraikitra tompon-toerana amin’ireo Minisitera roa ireo ny Depiote Fetra Rakotondrasoa, ny herinandro teo. Minisitera iankinan’ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena daholo ireo, hoy izy, ka tsy tokony hampandraiketina Minisitra mpisolo toerana mandritra ny fotoana maharitra.

Fermer