PolitikaSongadim-baovao

GOVERNEMANTA NTSAY AMIN’NY ENDRINY VAOVAO: Ho fantatra amin’ity faran’ny herinandro ity ?

Mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny famotopotorana ireo olona vaovao hapetraka amin’ny toeran’ny Minisitra ao anatin’ny Governemanta Ntsay Christian vaovao, araka ny loharanom-baovao. Raha vita avokoa ireo fifampiresahana rehetra tokony hisy, ary raha tsy misy ny fiovana dia tombanana ho amin’ity faran’ny herinandro ity no hivoaka ny lisitr’ireo handrafitra indray ny Governemanta vaovao tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian.

Ankoatra ireo olom-baovao izay vao kasaina hapetraka eo amin’ny toeran’ny Minisitra, dia fantatra ihany koa fa misy ireo olona efa Minisitra teo aloha no mbola anisan’ireo voaantso sy mandalo famotopotorana  eo anoloan’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra hatramin’ny omaly, araka ny angom-baovao. Azo everina, noho izany, ny hiverenan’ny mpikamban’ny Governemanta sasany. Fa ankoatra izay, tombanan’ny mpanara-baovao ihany koa ny mety hisian’ny fanovan-drafitra eo amin’ireo departemanta minisiterialy sasany izay sokajina ho mavesatra. Anisan’ny voaresaka amin’izany ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana, eo koa ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, ary ireo sisa hafa. Izany hoe, mety hisy ny fanasarahana departemanta ho atao. Tombatomban’ny mpandinika ny raharaham-pirenena ihany anefa ireo fa ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra irery ihany no tompon’ny fanapahan-kevitra farany.

Mbola andrasan’ny maro ihany koa aza ny fanapahan-kevitra ho raisin’ny Filoham-pirenena taorian’ny fangatahan’ireo Depiote maro an’isa izay miantso ny amin’ny tokony hampidirana olona voafidim-bahoaka ho eo anivon’ny mpanatanteraka. Izany hoe, tokony hisy avy amin’ny Antenimieram-pirenena ny mpikamban’ny Governemanta manaraka eo, raha ny fangatahan’ny Depiote. Fa ankoatra izay koa, ny antoko politika izay nivoahan’ny Filoha dia mitaky ny tokony hampidirana ireo mpiara-mitolona. Hatraiza no mety hanarahan’ny Filoha izay fangatahana izay? Hiditra amina governemanta politika kokoa amin’izay ve ny Filoha? Amin’ity faran’ny herinandro ity no mety ho hahazoana ny valiny.

Fampandehanan-draharaha andavanandro

Tetsy ankilany, isan’ny nampiteraka resabe indray ny mahakasika ny fanambarana nivoaka ny alarobia teo, izay namaritra fa fampandehanan-draharaha andavanandro na “expédition des affaires courantes” no andraikitra sahanin’ny Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta nanomboka afak’omaly. Fanambarana izay niaraka tamin’ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Répoblika Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian nanapitra ny fe-potoam-piasan’ireo Minisitra mpikambana rehetra teo aloha. Araka ny fanazavan’ny Profesora Solomiarana Rapanoel Alain, Talen’ny Ecoles Doctorales des Sciences Humaines et Sociales eny amin’ny anjerimanontolo, dia ny tomponandraikitra iray rehefa anaty fampandehanan-draharaha andavanandro fotsiny sisa amin’ny toerana iray dia tsy afaka mandray fanapahan-kevitra lehibe intsony. Ny asa andavanandro sisa no atao, ary araka ny angom-baovao aza, dia tsy afaka manasonia didim-panjakana intsony, raha ho an’ny toeran’ny Minisitra manokana. Raha ho an’ny tontolo andron’ny omaly, mpikamban’ny Governemanta vitsivitsy no mbola hita teny an-kianja, toa an’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria izay niaraka tamin’ny Filohan’ny Repoblika teny amin’ny CFS Ivato. Mbola hita tao amin’ny fivoriana ampitain-davitry ny Antenimieram-pirenena ihany koa ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

Fermer