PolitikaSongadim-baovao
GOVERNEMANTA NTSAY: Hametra-pialana aorian’ny fianianan’ny Filoha voafidy
Tsy miova ny lamina sy fandaharam-potoana. Ny 16 Desambra 2023 izao no hotanterahina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonam-pianianan’ny Filoham-pirenena voafidy, Andry Rajoelina. Araka ny fenitra repoblikana, dia tokony ho mametra-pialana ihany koa ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian aorian’io fotoana io, ary fampandehanan-draharaha sisa no hataon’izy ireo mandrapijoro ny Governemanta vaovao.
Olona maherin’ny 40 000 eo ho eo no andrasana ho avy amin’ny lanonam-pianianan’ny Filohan’ny Repoblika voafidy, andriamatoa Andry Rajoelina. Araka ny efa nampahafantarina dia hisy Filoham-panjakana sy ny Lehiben’ny Governemanta vahiny am-polony ho avy eto amintsika hanatrika izany. Isan’ireo efa nanome toky ny fiaviany eto Madagasikara ny Filoham-pirenen’i Angola izay sady Filohan’ny SADC am-perinasa, Joao Lourenço, ,ny Filoham-pirenen’i Zimbabwe, Emerson Mnagawa ary ny Filohan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan, ny Filohan’i Comores, izay sady Filoha am-perinasan’ny Vondrona Afrikanina, Azali Assoumani. Araka ny angom-baovao hafa, dia tombanana ho avy eto Madagasikara ihany koa ny Filohan’i Sénégal, Macky Sall, ary ny Filohan’i Rwanda, Paul Kagame, izay efa taty rahateo tamin’ny fotoam-pianianan’ny Filoha Rajoelina tamin’ny 2019. Ary vinavinaina koa ny mety hahatongavan’ny Praiminisitra maorisianina Pravind Kumar Jugnauth. Eo amin’ny lafiny ara-diplomasia dia midika ho fankatoavana ny fahalanian’ny Filoha Rajoelina ny fahatongavana Filoham-panjakana amin’ny andron’ny fianianana.
Tsara ho fantatra fa amin’ny maha lanonam-pitsarana goavana azy dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) no mitarika ny fotoana, amin’ny alalan’ny Filohany, Florent Rakotoarisoa. Ny Lehiben’ny Mariboninahi-pirenena, Marcel Ranjeva, izay vao notendrena ny herinandro lasa teo kosa no hametraka ny samboady ho an’ny Filoha vaovao.
Governemanta vaovao ?
Ireo rehetra ireo dia ho atrehin’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ihany koa. Ny Governemanta izay hametra-pialana ny harivan’ny 16 desambra, raha ny fenitra repoblikana no arahina. Aorian’izay, manana safidy telo ny Filoham-pirenena vaovao, na amerina ireo olona nametra-pialana ireo amin’ny alalan’ny fandraisana didimpanjakana ka hanao ny fampihodinana ny raharaham-panjakana, na ihany koa hanendry Governemanta vaovao eo ambany fitarihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ary safidy farany ny fiantsoana ny Solombavambahoaka maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, mba hanolotra olona atao Praiminisitra, araka ny voafaritry ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenana.
Tsiahivina fa ny Filoha Andry Rajoelina dia efa nilaza, ny 01 desambra 2023 teo, taorian’ny lanonana fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana teny amin’ny HCC, fa tsy hanova ireo ekipa nahomby tamin’ny fitantanana nandritra ny fepotoam-piasany voalohany ny tenany. Ankoatra izay, isan’ny mason-tsivana apetraka ihany koa ny tsy maintsy hanaovan’izay minisitra voatendry eo laharam-pahamehana ny vahoaka eny ifotony. Notsindrian’i Andry Rajoelina fa mila minisitra manasoa vahoaka ny tenany. Etsy ankilany, azo everina ihany koa ny itodihan’ny Filoha vaovao tamin’ireo nanohanana azy, izay nahitana vovonana vitsivitsy mihitsy. Andrasana ny tohiny…




