PolitikaSongadim-baovao
GOVERNEMANTA NTSAY: Minisitra efatra vaovao, manohy ny asa ny ambiny
Andro vitsivitsy izay no efa naharenesana ny mahakasika ny mety hikitihana ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta Christian Ntsay. Tontosa omaly tolakandro, araka izany, ny fanononana ireo mpikambana vaovao, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Fotoana izay notarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Isany nahazo minisitra vaovao ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Mponina, ny Fanabeazam-pirenena, ary ny Fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa…

Miisa efatra ireo mpikambana vaovao vao notendrena handrafitra indray ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Christian Ntsay. Voalohany indrindra amin’izany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka vaovao, Pr. Rakotovao Hanitrala Jean Louis, izay nanolo ny Pr Ahmad Ahmad. Nanambara ny Filoha fa anisany hatao laharam-pahamehana, miaraka amin’izao fanendrena minisitra vaovao izao, ny fananganana hopitaly sy toeram-pitsaboana maro manerana ny Nosy. Etsy ankilany, isany nahazo minisitra vaovao koa ny departemanta ministerialy misahana ny Mponina. Michelle Bavy Angelica, araka izany, no notendrena teo amin’ny toeran’ny minisitry ny Mponina. Ny minisitry ny Mponina teo aloha, Naharimamy Lucien Irmah, izay nambaran’ny Filoha fa tsy ho eto an-tanindrazana noho ny antony manokana. Ankoatra izay, voatendry ho minisitra misahana ny Fanabeazam-pirenena i Sahondrarimalala Marie Michelle. Ity farany izay efa nitana andraikitra maro samihafa teto amin’ny Firenena. Isan’izany ny niandraiketany ny Sampandraharaha misahana ny lafiny lalàna teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Ary farany, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Tsikeliankina Ernest.

Nosarahina ny MENETP teo aloha
Isany zava-baovao tamin’ity fanendrena mpikambana eo anivon’ny Governemanta ity, ny nanasarahana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, izay niaraka tao amin’ny MENETP teo aloha. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Repoblika, isany nahatonga io fanapahan-kevitra io ny mba hahafahan’ireo minisitera roa ireo mifantoka bebe kokoa amin’ny sehatra hiasany avy. Mahakasika ny Fanabeazam-pirenena manokana, nilaza ny Filoha fa mbola fanamby lehibe miandry ny Fitondram-panjakana ny fampidirana an-tsekoly ireo zaza malagasy rehetra. Betsaka, hoy izy, ny fepetra efa noraisina momba izany, toy ny fanafoanana ny saram-pidirana, ny fizarana fitaovam-pianarana, sy ny sisa hafa koa. Mbola ezaka goavana miandry ny Fanjakana koa ny fampitomboana ireo fotodrafitrasam-pampianarana manerana ny Nosy, mba hanampiana ireo mpianatra malagasy tsy handeha lavitra intsony hitady sekoly. Mahakasika ny minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa kosa indray, nilaza ny Filoha fa hamafisina ny tetikasa fampiofanana tanora eto Madagasikara. Tanora manodidina ny 100 000 isa eo no tokony hahazo fanofanana ao anatin’ny herintaona, hoy ny Filoha. Hitombo hatrany izany isa izany isan-taona, ka tanora maherin’ny iray tapitrisa no kasaina hisitraka fanofanana arak’asa ao anatin’ny dimy taona. Fanofanana amin’ny sehatry ny taotrano, hainahandro, lamba, fizahantany, herinaratra, milina, no kasainy hatao amin’izany tetikasa izany.
“Tsy tokony ho vesatra eo anivon’ny fianakaviana, na ny Firenena intsony ny tanora manomboka izao, fa tokony ho fanoitra amin’ny fampandrosoana ny Firenena”, hoy Rajoelina Andry.

Voatazona ny minisitra sasany
Ankoatra ireo efatra vaovao, voatazona tamin’ny toerany avokoa ireo minisitra efa tao anatin’ny Governemanta hatramin’izay. Ny Filoha rahateo no tompon’ny fanapahan-kevitra momba ny fanendrena. Ka rehefa tsapany fa afaka miara-dalana aminy, amin’ny fanatanterahana ireo velirano samihafa nataony tamin’ny vahoaka, dia hazoniny. Antenaina, araka izany, fa hitondra ainga vao amin’ny fampandrosoana ny Firenena indray ireo mpikambana vaovao vao notendrena.





