PolitikaSongadim-baovao
GOVERNEMANTA NTSAY: Voatendry ireo mpikambana vaovao miisa valo
Araka ny Didim-panjakana laharana faha-2023-165 dia Minisitra vaovao miisa valo indray no tafiditra ao anatin’ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ity Governemanta amin’ny endriny ankehitriny ity, noho izany, no heverin’ny mpanara-baovao fa hiara-dalana amin’ny Filoha Andry Rajoelina hatrany amin’ny fiafaran’ny fepotoam-piasany…
Nampahafantarin’ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika omaly ny voarakitra ao anatin’ny Didim-panjakana laharana faha 2023-165, izay manova sy manampy ireo Didim-panjakana fanendrena minisitra sasany teo aloha. Misongadina tao anatin’izany ny fanendrena ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena vaovao, dia ny Général de Division Rakotoarijaona Josoa, izay nisahana ny andraikitra maha Tale Jeneralin’ny fandrindrana paikady eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena teo aloha. Teo koa ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Ramatoa Yvette Sylla, izay Masoivoho sady solontena maharitry ny Repoblikan’i Madagasikara teo anivon’ny UNESCO. Isan’ireo voatendry omaly ihany koa ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, sady Minisitry ny Fitsarana vaovao, Ramatoa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, izay Senatera, isan’ireo notendren’ny Filohan’ny Repoblika ho eo anivon’ny Antenimierandoholona. Tsy maintsy hanendry olona vaovao hameno ny banga eo anivon’ny Antenimierandoholona indray, noho izany, ny Filoha. Ankoatra izay, nampahafantarina omaly koa fa voatendry ho Minisitry ny Asa, ny Fampananana asa, ny Asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, Atoa. Rivotiana Richard Jean Bosco. Ity farany izay Solombavambahoaka, mpikambana eo anivon’ny Fitsarana Avo. Ny Colonel Andrianatrehina Ndriamihaja Livah kosa no voatendry hisahana ny andraikitry ny Minisitry ny asa vaventy. Ny toeran’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro, dia natolotra an-dRamonjavelo Manambahoaka Valery, izay efa Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha. Tetsy ankilany, Atoa. Andriamanampisoa Soloniaina Rasamoelina no voatendry ho Minisitry ny Angovo sy ny akoranafo. Izy izay Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Orinasa Jirama ihany teo aloha. Ary ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena dia Andriamatoa André Haja Resampa, izay efa Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika tamin’ny vanimpotoan’ny Tetezamita.
Ainga vao…
Tamin’ny ankapobeny, tsy azo nihodivirana ity fanovana Governemanta ity. Ankoatra ny efa fahabangan-toerana departemanta minisiterialy sasany, dia misy koa ireo departemanta sasany tsy maintsy nanendrena olom-baovao mba hanome aina vao indray mpanatanteraka. Araka ny nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta ny zoma teo, dia fahefan’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiministra feno ny manala sy manova izay hitany fa tsy maharaka ny hafainganam-pandeha intsony. Etsy ankilany, tsy azo hadinoina fa taom-pifidianana ity taona ity. Noho izany, zava-dehibe ny fametrahana ekipa afaka miatrika izany ho an’ny Filoham-pirenena, na dia mbola tsy nilaza aza ny tenany fa mbola hirotsaka hofidiana indray. Miandrandra vokatra azo tsapain-tanana avy amin’ireo Minisitra vaovao ireto ny mpanara-baovao, manoloana ireo olana maro iainan’ny vahoaka ankehitriny, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahasimban’ny lalana na an-drenivohitra na lalam-pirenena. Eo koa ny olan’ny fahatapatapahan’ny jiro sy ny delestazy…




