PolitikaSongadim-baovao
GOVERNEMANTA VAOVAO: Ahitana minisitra 27, mbola hiampy Sekreteram-panjakana
Minisitra 27 no mandrafitra ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, araka ny fampahanfantarana ofisialy omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Ankoatra ireo olom-baovao niditra ao anatin’ny Governemanta, dia maro tamin’ireo Mpikamban’ny Governemanta teo aloha no mbola tafaverina ao anatiny, ary nisy koa nafindra departemanta.
Raha toa ka nanodidina ny 500 ireo tonga nanatitra ny antontan-taratasy naneho fahavononana ho eo amin’ny toeran’ny Minisitra, dia niisa 27 ireo voantso handrafitra ny Governemanta izay nampahafantarina omaly. Amin’ny ankapobeny dia nisy fanovana vitsivitsy nataon’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra tamin’ny fitsinjarana ireo departemanta minisiterialy. Nilaza kosa ny Filoha fa nezahina ny mba tsy hanamaroana isa be intsony ny isan’ny Minisitera mba tsy hisian’ny fandaniana mihoam-pampana amin’ny fampandehanan-draharaha. Ho setrin’izay kosa anefa dia Sekreteram-panjakana manodidina ny 9 no ho apetraka, araka ny nambarany, izay ho eo ambany fiahian’ny Fiadidiana ny Repoblika. Ireo Sekreteram-panjakana ireo izay hijery manokana ireo sehatra tena ilain’ny vahoaka, ary hanafaingana bebe kokoa ny fanamahana ny olam-bahoaka.
Eo amin’ireo minisitra voatendry kosa indray dia nisy ireo endrika efa fantatra teo aloha ihany no niverina, toy ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny Fitaterana, ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny sisa. Nisy indray ireo nafindra Departemanta, toa an’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha, Lalatiana Rakotondrazafy, izay lasa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa ankehitriny. Ankoatra izay, dia misy ireo olom-baovao sambany hiandraikitra ny toerana maha Minisitra. Ary anisan’ny nampiavaka iny Governemanta ity ihany koa ny nanendren’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina Minisitra anisany tanora indrindra, izay vao 28 taona monja, isahana ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.
Andrasana ny fanendrena ireo Sekreteram-panjakana vitsivitsy hanampy isa ireo Minisitra.
- Minisitry ny Foloalindahy: Général de Division Sahivelo Lala Monja Delphin
- Minisitry ny Raharaham-bahiny: Rtoa Rasata Rafaravavitafika
- Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana: Rtoa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana
- Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany: Atoa Andriantsitohaina Naina
- Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola: Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo
- Minisitry ny Atitany: Atoa Tokely Justin
- Minisitry ny Filaminam-bahoaka: Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala
- Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra : Atoa Razafindravahy Edgard
- Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana: Atoa Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin
- Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa: Atoa Razafiharison Andriamanantena
- Minisitry ny Fanabeazam-pirenena: Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle
- Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arak’asa : Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy
- Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka : Professeur Randriamanantany Zely Arivelo
- Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina : Rtoa Fomendraza Haingo Elisette
- Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana: Atoa Randriamandranto Joel
- Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy Mirindra, ny Paositra, sy ny Fifandraisan-davitra: Atoa Razafindramalo Tahina
- Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo: Atoa Jean Baptiste Olivier
- Minisitry ny Asa Vaventy: Colonel Andrianatrehina Ndriamihaja Livah
- Minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro: Atoa Ramonjavelo Manambahoaka Valéry Fitzgerald
- Minisitry ny Asa sy ny fampanana asa ary ny Asam-panjakana: Rtoa Razakaboana Hanitra.
- Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana: Atoa Ravokatra Fidiniavo
- Minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga: Atoa Mahatante Tsimanaoraty Paubert
- Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany : Atoa Rakotomalala Herindrainy Olivier
- Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina: Atoa Andriamananoro Augustin
- Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena: Atoa Resampa André Haja
- Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy: Atoa Fontaine Max
Minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena: Général de Division Rakotondrazaka Andriantsarafara Andriamitovy




