PolitikaSongadim-baovao
GOVERNEMANTA VAOVAO: Voatendry ireo Minisitra telo misahana ny fitandroana filaminana
Tsy niandry ela fa omaly ihany dia nanendry ireo Minisitra telo hisahana ny fiarovana sy fitandroana filaminana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Zafisambo Ruphin Fortunat. Zava-dehibe, ary maika, hoy ny Filoha, ny famerenana ny filaminam-bahoaka sy ny fandaminana ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.
Raha toa ka vao nandray ny asany omaly ny Praiminisitra vaovao, ny Jeneraly Zafisambo Ruphin Fortunat, dia tsy niandry ela fa omaly ihany koa dia notendren’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ireo Minisitra telo mianadahy hisahana ireo departemanta minisiterialy miantsoroka ny fitandroana ny filaminana, rehefa avy nifampidinika tamin’ny Lehiben’ny Governemanta. Fantatra àry fa ny Jeneraly Deramasinjaka Rakotoarivelo indray no hisahana ny Minisiteran’ny Foloalindahy manomboka izao. Ny Controleur Général de Police, Ny Aina Mandimby Andriambelo, kosa no handray ny toeran’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Ary tsy niova fa ny Jeneraly Andry Rakotondrazaka hatrany no voatendry ho eo amin’ny toeran’ny Minisitra Delege misahana ny zandarimaria.
Niaraha-nahita ireo fandrobana nisy teto amin’ny firenena, hoy ny Filoha. Betsaka ireo very asa. Orinasa maro koa no nikatona. Ary tsy vitsy ireo mbola mitebiteby na dia ny hiverina hisokatra aza. Izany indrindra no maha zava-dehibe ny famerenana farany izay aingana ny filaminam-bahoaka, hoy ny Filoha, ka antony nanendrena maika ireo Mpikamban’ny Governemanta miisa telo ireto. Mila averina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena, ary tokony hatao vaindohan-draharaha ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Ary izany dia mila atao aingana mba hanarenana ireo simba sy fanarenana koa ny toekarena.
Tafiditra ao anatin’ny iraka voalohany nampanaovina ireto Minisitra ireto moa ny tokony hanesorana ny fepetra tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina na ny “Couvre feu”.
Tsara marihina fa anisan’ny nanamarika ity fanendrena omaly ity ny fisiana vehivavy voalohany hitantana ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.
LR.




