PolitikaSongadim-baovao
GOVERNEMANTAN’NY ASA : « Mila miasa aingana sy miasa tsara, ary mamaly ny hetahetam-bahoaka »
Hentitra sy nazava ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Governemanta ankehitriny. Tsy mpanafana birao fotsiny no asana Minisitra, hoy izy, fa mila mitondra vokatra tsara ho an’ny vahoaka. Niaiky ny Filoham-pirenena fa mavesatra ny adidy miandry ny Minisitra tsirairay, ary ilàna firaisam-po. Noho izany indrindra, Governementa miasa no napetraka, hoy izy. Misy rahateo ny “contrat-programme-résultat” nosoniavin’ny tsirairay rehefa nanaiky ny ho eo amin’ireo toeran’ny Minisitra. Ny vahoaka, araka izany, no anisany hanara-maso ny asan’ny tsirairay avy, mpikamban’ny Governemanta, araka ny voalaza.
Na dia efa aty amin’ny fisasahan’ny fe-potoam-piasana aza ny Fitondrana ankehitriny, nilaza ny Filoha fa tsy maintsy ho tratra ny tanjona rehetra izay napetraka sy nampanantenaina ny vahoaka malagasy, amin’ny fametrahana ny ekipa vaovao. “Tsy afaka ny tsy hahomby isika fa mila mitondra fahombiazana miaraka ho an’ny vahoaka malagasy », hoy ny Filoha. Etsy ankilany, Governemantan’ny asa, io no niantsoany ity Governemanta vaovao vao napetraka ity. Dikany, mila mitondra vokatra azo refesina, miasa ho an’ny vahoaka ny mpikambana tsirairay. Mila mipaka any amin’ny Distrika rehetra ny fampandrosoana, hoy izy. “Andrasana ny famaliana ny hetahetam- bahoaka, ary tsy natao hanao théorie, na hanafana birao fotsiny ny Minisitra fa mila mihetsika sy midina ifotony”, hoy hatrany ny fanazavana.
Pejy vaovao amin’ny fitantanan-draharaham-pirenena
Nandritra ny lahateniny omaly, mbola nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina fa ity Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ity no hanatratra ny fahatarana rehetra nisy hatramin’izay. Mbola ny fipetrahan’izay vina sy tanjona izay indrindra no nanendrena ireto ekipa vaovao ireto. Efa mazava rahateo ny toromarika entina hanatrarana ny vina, hoy ny fanazavana. Noho izany, mila miasa aingana sy miasa tsara, anatin’ny mangarahara ny Mpikamban’ny Governemanta tsirairay, hoy ny fanazavana. Fomba fiasa izay nambaran’ny Filoha fa ilàna risipo. “Miandrandra vokatra ny vahoaka malagasy. Tadidio fa mpanompon’ny vahoaka isika. Ary mila manaja ny teny sy ny toky nomena”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina.
Na izany aza, tsy nanadino ireo rehetra nandalo tao anatin’ny Governemanta teo aloha ny Filoham-pirenena. Nisy ny “Contrat-Programme” nifanarahana, hoy izy, ary nisy koa ny tombana natao. Mila manokatra Pejy vaovao isika amin’ny fitantanan-draharaham-pirenena, ka izany no tsy maintsy nanovana ny mpikambana sasany. Fotoana izay nanambarany fa misy ireo tafaverina tamin’ny toerany, misy kosa ireo niova departemanta, ary nisy ireo tsy maintsy noesorina. Ny fanapahan-kevitra rehetra nifandraika tamin’ireo dia niainga tamin’ny fanaovana ny tombana, araka ny voalaza hatrany. Fa ankoatra izay koa anefa, nisy ny Departemanta sasany izay nosarahana noho ny fiheverana fa mavesatra.
Tetsy ankilany, nanambara ny Filoha fa Faritra enina no voasolo tena ao anatin’ity Governemanta vaovao ity. Misy ireo any amin’ny Faritra Analamanga, Diana, Androy, Analanjirofo, Atsimo Atsinanana, Anosy, Menabe, Alaotra mangoro, Matsiatra Ambony. Na izany aza, nohamafisin’ny Filoha fa iray ihany ny Malagasy rehetra ka tsy tokony hapetraka ho olana ny fiavian’ny tsirairay na izay ho mpikamban’ny Governemanta.
Governemanta Politika
Araka ny hita omaly, ankoatra an’ireo teknisianina amin’ny toerana teknika isan-karazany, tsikaritra ny fametrahana mpanao politika efa maro mpahalala teto amin’ny tany sy ny firenena ao anatin’ity Governemanta vaovao ity. Tafiditra ao anatin’izany Andriamatoa Pierre Houlder izay efa nanana andraikitra ambony teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, sady ao amin’ny birao politikan’ny antoko TVG. Eo ihany koa ny Filohan’ny Antoko Antoka sy Dinan’ny Nosy (ADN), Andriamatoa Edgard Razafindravahy, izay efa PDS-n’Antananarivo, sy ny zanakavavin’ny Filoha teo aloha Didier Ratsiraka. Ohatra ihany ireo fa mbola misy koa ireo politisianina napetraka ao anatin’ny Governemanta. Mety hitondra inona ho an’ny Fitondram-panjakana ny fametrahana azy ireo? Ny tsara tsiahivina dia efa maro ireo niantso ny tokony hametrahana mpanao politika ao anatin’ny Governemanta, amin’ny maha toerana politika ny Minisitra, ary koa, mba hahafahana miaro bebe kokoa ny Fitondram-panjakana amina raharaha sy adihevitra politika. Azo everina, noho izany, fa tafiditra ao anatin’ny antony nametrahana mpanao politika ao anatin’ny Fitondrana indrindra io fiarovana ny Fitondram-panjakana sy ny Governemanta io.



