Non classé
GOVERNORAN’ANALANJIROFO: Vonona hametraka ny fitantanana ara-drariny
Isan’ireo faritra vao nahazo Governora ny Faritra Analanjirofo, araka ny tatitry ny Filan-kevitry ny minisitra, ny 23 Jolay teo. Ity farany izay nanendry ny Dr Randriamanantena Marcellin ho Governora any an-toerana. Ny zoma lasa teo no fametrahana azy tamin’ny toerany ara-pomba ofisialy, tao amin’ny renivohitry ny Faritra, tao Fenoarivo Atsinanana, nontronin’ireo olom-boatendry sy olom-boafidy maro avy any amin’iny faritra iny. Nandritra izany no nilazan’ity tompon’andraikitra vaovao ity fa hitondra rivo-baovao amin’ny fampandrosoana ny Faritra hiandraiketany ny tenany. Ka isany laharam-pahamehana ho azy ny fanamboaran-dalana, indrindra ny lalam-pirenena fahadimy izay mampitohy an’i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana, mitohy hatrany Soanierana Ivongo, Mananara Avaratra, ary Maroantsetra. Mazava ho azy, tsy maintsy hisy ny fiarahamiasa amin’ny Fitondram-panjakana foibe, amin’ny alalan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, amin’ny fanatanterahana io tetikasa io. Ankoatra izay, isan’ireo ho vaindohan-draharahan’ny Dr Randriamanantena Marcellin ny fitantanana ara-drariny ny harena voajanahary. Araka ny nambarany, tsy voatantana araka ny tokony ho izy ireo harena voajanahary ananan’ny Faritra Analanjirofo hatrizay, hany ka olom-bitsy ihany no nahazo tombontsoa tamin’izany. Eo anatrehan’izany, tsy maintsy hisy fiantraikany mivantana amin’ny sosialim-bahoaka ny tombotsoa azo amin’ny fitantanana ireo harena voajanahary eo anivon’ny faritra manomboka izao..
Fanjakana tsara tantana
Velom-panantenana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any amin’ity faritra ity, amin’ny fahazoana ny Governora vaovao. Ainga vao ho an’ny fampandrosoana ireo distrika dimy mandrafitra ny faritra izany, araka ny fanazavana. Nanamafy ny solombavambahoakan’ny Fenoarivo Atsinanana fa tena zanaky ny faritra izy, ary azo antoka amin’ny fitantanana. Izy rahateo koa nanao fanamby ny hametraka ny Fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Raha tsiahivina, mariky ny fandalana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny fametrahana ny Governora, hoy ny Filoham-pirenena. Afaka manapa-kevitra amin’izay mahatsara ny faritra hiandraiketany izy ireo. Ary efa misy mihitsy teti-bola manokana ho an’ny faritra tsirairay, hahafahan’ny Governora mihetsika amin’ny asa fampandrosoana, hoy ny Filoha, tany Antsiranana, nandritra ny fametrahana ara-pomba ofisialy ny governoran’i Diana.


