PolitikaSongadim-baovaoToekarena
HABA 47% ALAINA AMIN’NY VOKATRA MALAGASY: Handresy lahatra ny Amerikanina amin’ny fanitsiana izany ny Governemanta malagasy
Nanaitra ny rehetra ny vaovao niparitaka nandritra ny tontolo andron’ny omaly nanambara fa nanasonia didim-panjakana vaovao mahakasika ny fampiakarana haban-tseranana indray i Donald Trump sady namoaka ny lisitr’ireo firenena voakasika, ka isan’izany i Madagasikara. Nakariny 47% ny haba alain’izy ireo amin’ny entana avy aty Madagasikara miondrana any Etazonia, mihatra avy hatrany manomboka amin’ny 9 Aprily ho avy izao. Ny an’i Samoa no betsaka indrindra izay efa mahatratra 110%. Ho an’ireo firenena mandoa 10% farafahakeliny kosa dia mihatra manomboka amin’ny 5 Aprily ho avy izao io didim-pitondrana io.
Mazava ho azy fa hisy fiantraikany goavana amin’ireo orinasa manondrana entana any Etazonia ity fanapahan-kevitra ity, indrindra ho an’ireo Orinasa miisa 47 tafiditra ao anatin’ny AGOA izay mampiasa olona analiny, ary lasa handoa haba 47% raha toa ka 0% izany teo aloha.
Handresy lahatra
Manoloana io fanapahan-kevitry ny firenena amerikanina io, dia nisy ny fihaonana notarihin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Ramatoa Rasata Rafaravavitafika, niarahana tamin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Ramatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny Minisitry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra, Andriamatoa Ralambofiringa David, ny Masoivoho malagasy any Etazonia, Ramatoa Rakotomalala Lantosoa, ary ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana, Andriamatoa Lainkana Ernest Zafivanona, tetsy Anosy.
Tanjon’ny fivoriana dia ny handinihana ny fiantraikan’ity fepetra vaovao ity amin’ny toekarena malagasy sy ny fametrahana paikady hentitra hiarovana ny tombontsoan’ny firenena malagasy.
Manoloana izany dia hampiasa ny paikady rehetra ananany ny governemanta malagasy handresena lahatra ny firenena amerikana amin’ny fanitsiana ireo fepetra ireo, ho fiantohana ny fidiran’ny vokatra malagasy amin’ny tsena amerikana amin’ny fomba ara-drariny sy mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena.
Efa niroso amin’ny dingana firesahana ara-diplaomatika ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara mba hahazoana fanazavana be be kokoa hahafahana manitsy io haba vaovao io.




