Songadim-baovaoToekarena

HABA 47% ALAINA AMIN’NY VOKATRA MALAGASY: Mandeha ny dinika stratejika hikaroham-bahaolana amin’ny fanapahan-kevitry ny Amerikanina

Mitohy ny fikaroham-bahaolana manoloana ny fanapahan-kevitry ny Amerikanina hanondrotra ho 47% ny haba alaina amin’ny vokatra malagasy miditra any Etazonia, izay mihatra manomboka amin’ity anio ity. Omaly dia notontosaina tetsy amin’ny efitrano fivorian’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny fivoriana fampidinihana notarihin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, niarahana tamin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra David Ralambofiringa, ny Masoivoho Amerikanina eto Madagasikara Claire Annette Pierangelo, ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana Ernest Zafivanona Lainkana ary ireo solontenan’ny sehatra tsy miankina.

Ny fihaonana omaly, araka izany, dia nahafahan’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatra tsy miankina mahazo fanazavana lalina mikasika ny politika vaovao. Ny angom-baovao kosa no nahafantarana fa ny Fitondram-panjakana malagasy dia hanohy hatrany ny fifandraisana amin ’ny firenena amerikana sy ireo firenena voakasika hafa ny fitadiavana vahaolana ara-potoana, ary ny fiarovana ireo tombontsoa efa azo ao anatin’ny AGOA.

Randriah.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer