Fanadihadiana ManokanaSosialy

HABOKANA: Maherin’ny 1 000 isan-taona ny tranga vaovao eto Madagasikara

Mbola hita amina firenena miisa 120 maneran-tany ny habokana ary mbola tsy nahafoana izany isika eto Madagasikara. Maherin’ny 1 000 isan-taona ny trangana haboaka vaovao eto Madagasikara. Tamin’ny taona 2023 dia niisa 1 659 ny trangana habokana vaovao nisy teto amintsika. Tafiditra ao anatin’ny sokajin’ireo areti-mifindra notsinotsiniavina anefa ny habokana ka mila atao laharam-pahamehana ny fisorohana ny fiparitahany.

Marihina isaky ny faran’ny herinandro amin’ny faran’ny volana janoary ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny aretina habokana. Areti-mifindra vokatry ny bakteria antsoina hoe “Mycobacterium leprae” ny habokana. Voakasika mivantana amin’izany ny hoditra sy ny ritsika (nerf). Fomba fisehony ny fahitana tasy somary fotsy, fivontosana kely amin’ny hoditra. Eo ihany koa ny fisiana volivoly na tsy mahatsapa ny faladia, ny felan-tanana, sy ny hoditra. Tsy hadinoana ny fanaintainan’ny ritsika. Raha tsy voatsabo dia mety hiteraka fahasembanana maharitra ny habokana (amin’ny tanana, tongotra, sy fahajambana). Mifindra amin’ny alalan’ny tsiranoky ny orona sy piti-droran’ny olona marary ny habokana, indrindra rehefa mifampitakosona maharitra aminy. Marihina anefa fa tsy mamindra habokana ny marary efa manaraka fitsaboaka. Miteraka fanilikilihana eo amin’ny fiarahamonina ny habokana. Aretina azo tsaboina tsara anefa izy ary maimaimpoana ny fanatanterahana izany eto amintsika.

Sokajiana ho areti-mifindra notsinotsiniavina ny habokaba ary mbola hita any amina firenena maherin’ny 120 maneran-tany. Tranga vaovao manodidina ny 200 000 no voarakitra isan-taona. Teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia efa tsy nosokajiana ho olan’ny fahasalamam-bahoaka intsony ny habokana tamin’ny taona 2000. Izany hoe efa latsaky ny mponina 1 amin’ny 10 000 no mitondra io aretina io. Nihatsara hatrany ny zava-nisy tamina firenena maromaro tamin’ny taona 2010. Na izany aza dia tsapa fa niha nitombo tato ho ato ny tranga vaovao amin’ny habokana. Raha ny antontanisa tamin’ny taona 2023 dia nihoatra ny 10 000 ny tranga vaovao voarakitra tany Brésil, Inde sy Indonésie. Nanodidina ny 1 000 hatramin’ny 10 000 kosa izany tany amin’ireo firenena 12 hafa izay ahitana an’i Bangladesh, Ethiopie, Madagasikara, Mozambika, Myanmar, Népal, Nigéria, Phillippines, République démocratique du Congo, Tanzanie, Somalie ary Sri Lanka. Firenena 66 no nanambara fa tsy ahitana trangana habokana intsony any amin’izy ireo, ary 112 nilaza fa efa latsaky ny 1 000 ny tranga vaovao.

Hita any amina Distrika 37 eto Madagasikara

Vina napetraka ny hanafohanana ny fiparitahan’ny aretina habokana hatramin’ny taona 2030. Mbola maro ny ezaka tokony ampiharina ho antsika eto Madagasikara. Anisan’ireo firenena 6 aty Afrika izay ahitana tranga vaovao amin’ny habokana mihoatra ny 1 000 isan-taona isika. Amin’ireo Distrika miisa 144 eto Madagasikara dia ny 37 amin’izy ireo no mbola ahitana tranga maro momba ny habokana. Tamin’ny taona 2023 dia miisa 1 659 ny tranga vaovao voarakitra teto amintsika, hoy ny tatitry ny OMS (Vondrona maneran-tany misahana ny fahasalamana). Ny 113 amin’ireo dia tranga hita tany amin’ny ankizy avokoa izay manaporofo ny mbola fiparitahan’ny habokana.

Ho fisorohana ny fihanaky ny habokana moa dia fepetra noraisina ihany ko ny fanarahana fitsaboana ho an’ireo olona manodidina ny marary. Manome tantsoroka ara-teknika ho an’ireo firenena misoroka sy miady amin’ny habokana ny OMS. Ho fanatanterahana izany dia manangona antontanisa mahakasika ny habokana any amin’ireo firenena samihafa ny OMS isan-taona ary mamoaka tatitra, manampy betsaka amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Misy ihany koa ny drafitra iraisam-pirenena hiadiana amin’ny habokana, ampiharina hatramin’ny taona 2030.

 

Mahakasika ny areti-mifindra notsinotsiniavina

Satria tafiditra ao anatin’ny sokajin’areti-mifindra notsinotsiniavina ny habokana dia halalinina bebe kokoa eto ny mahakasika io sokajy io. Maro ireo aretina voasokajy ho aretina notsinotsiniavina na «Maladies Tropicales Négligées» noho izy tsy dia fahita intsony any amin’ny tany mandroso, tsy fantatry ny vahoaka ka mahatonga azy ireo tsy hitandrina. Tsy raisin’ireo tompon’andraikitra sasany ho laharam-pahamehana ihany koa ka mahatonga azy ireo tsy dia mandray anjara tandrify amin’ny fiadiana aminy. Mpahazo ary mampitondra takaitra olona maro anefa ny habokana, indrindra aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana.

Tsara ny manamarika fa misy sokajiny roa ireo aretina mifindra notsinotsiniavina:
-Sokajy voalohany ireo aretina iadiana amin’ny alalan’ny fihinanana fanafody faobe: bilarziozy, ongobe, sakoitra ary ireo kakan-tsinay.
-Sokajy faharoa ireo aretina iadiana amin’ny alalan’ny fandraisana an-tanana ireo tranga izay ahitana ny habokana, parasy lafrika, haromontana, voavary ary ireo aretin-koditra samihafa.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer