Songadim-baovaoSosialyTrangam-piaraha-monina
HAIN-TRANO TENY TSARAHONENANA : Lehilahy iray 75 taona maty kila, olana ny tsy fisian-drano
Trano fivarotan-kazo iray miampy trano vita biriky sy voalalotra simenitra miisa roa, no indray lasibatry ny afo, teny Tsarahonenana, omaly maraina. Lehilahy 75 taona no namoy ny ainy tao anatin’izany, miampy vehivavy iray naratra vokatry ny fahamaizana. Tokantrano miisa 11 no indray niharam-pahavoazana tao anatin’io loza io, satria namoy fananana tao anatin’ny indra nipi-maso. Olana be ny tsy fisian-drano eny Tsarahonenana, izay anisany nambaran’ny mponina fa niteraka ny fahavoazana…
Loza iray loza roa ! Trano maromaro no indray hotohoton’ny afo, teny Tsarahonenana, omaly maraina tokony ho tamin’ny 08 ora mahery. Ankoatra ny fahavoazana namoizana fananana tao anaty indray nipi-maso, dia lehilahy lehibe 75 taona no namoy ny ainy tao anatin’ity loza ity. Ankoatr’ity farany, dia may ihany koa ny vady andefomandriny, saingy avotra soa aman-tsara ary nalefa notsaboina teny amin’ny hopitaly HOMI. Toeram-pivarotan-kazo iray teny an-toerana no niantombohan’ny afo, raha ny tatitra voaray. Nanano sarotra anefa, ny fifehezana ny afo, noho ny antony tsy fisian-drano eny an-toerana, sy ny fahateren’ny lalana miditra anelakelan-trano namonjena ny voina, ka niitatra ny afo. Ankoatr’io trano fivarotan-kazo io, dia trano lehibe vita amin’ny biriky miisa roa, no tratran’ny loza io ihany koa. Tokantrano manodidina ny 10 no indray niharam-boina tamin’ity loza ity. Tsy mbola voafaritra mazava, hatreto, ny tena nipoiran’ny afo tao amin’io toeram-pivarotan-kazo io. Olana re teny an-toerana ny tsy fisian-dranon’ny Jirama. Re aza, fa avy tany Andraisoro sy Ampandrianomby no nakana rano nanampiana namonoana ny afo, raha ny nambaran’ny mponina teny an-toerana. Teo amin’ny lafiny famonjena voina indray, dia fantatra, fa tamin’ny 08 ora mahery io dia efa naharay antso mikasika ity hain-trano goavana teny Tsarahonenana ity ny Mpamonjy voina. Atsasak’adiny taorian’izay no tonga teny izy ireo, raha ny nambaran’ny lehiben’ny Sampana mpamonjy voina tonga teny an-toerana.
Nanao sarotra ny vonjy voina…
Nambara tamin’izany, fa mafy dia mafy ny fiitatry ny afo, ka raha ny Mpamonjy voina teny Andravoahangy no voatendry hamonjy voina, dia tsy maintsy nalefa ihany koa ny teny Tsaralalana. Tsy ampy anefa, ny rano nentin’izy ireo, na dia kamiao maromaro aza, no indray tonga. Nalefa ihany koa ny Mpamonjy voina avy eny Ankatso, ka tamin’ny 10 ora sy sasany teo vao hita fa voafehy tanteraka ny afo. Nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny sampana mpamonjy voina io, fa laharam-pahamehan’izy ireo ny famonjena ny ain’olombelona, vao ny fananana. Na izany aza, na voavonjy io lehilahy lehibe io, dia efa vatana may rotiky ny afo sisa tafavoaka. Ankoatra ny tsy fisian-drano teny Tsarahonenana, dia nanano sarotra ihany koa ny fahateren’ny lalana, hoy io tompon’andraikitra io. Teny amin’ny Mikoja Ampasampito, araka izany, ny mpamonjy voina no naka rano, saingy kely fandeha izany, ka anisany nampanano sarotra ny vonjy voina. Tsy vitan’ny Mpamonjy voina samirery moa ny famonoana afo teny Tsarahonenana ity, fa teo ny fanampian’ny avy amin’ny « Corps de Protection Civile » sy ny Polisim-pirenena, ary ny Zandarimariam-pirenena, izay samy nanome tanana tamin’ny vonjy aina sy fiambenana fananan’olona. Efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ity tranga fahamaizan-trano teny Tsarahonenana ity.
Nangonin’i Stan R.




