Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
HAINTRANO MAHERY VAIKA : Trano miisa 84 kila, tafakatra 209 ireo traboina
Nitrangana hain-trano mahery vaika tao Berondra, kaominina Maheriraty, distrikan’i Farafangana, afakomaly tamin’ny 4 ora hariva. Trano miisa 84 tafo no may ary 209 ireo traboina tsy manan-kialofana, vokatr’izany. Olona roa no naratra, saingy tsy nisy ny aina nafoy. Araka ny angom-baovao, tsy mbola fantatra ny antony nahatonga ny afo fa trano iray avy ao atsinanana no nirehitra ka niampitampita vao taitra ny iray tanàna, izay samy mbola tany an-tsaha daholo. Nentina namonjy ny CSBII Bevoay Beretra ireo naratra. Nafindra eny amin’ny EPP kosa, ireo tsy manan-kialofana. Nandray fepetra kosa, araka izany, ny Zandary any an-toerana, hanara-maso sy hiambina izay mety hihoa-pefy.
Ankoatra izay, trano miisa 12 kosa, no may omaly antoandro tao amin’ny « Parcage « » Anjiabory, kaominina ambanivohitra Ankaramibe, distrikan’Analalava. Araka ny fanadihadiana natao, afo nataon’olon-tsy fantatra tao amina Ramatoa iray mpanao hotely ao an-toerana no nahatonga io fahamaizana io. Na izany aza, tsy nisy aina nafoy. Tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra tao amin’ilay hotely. Marihina fa « stand » ny ankamaroan’ireo trano may. Tsy niseho kosa, ny fitarana ny afo fa tonga maro ny mpamonjy voina. Efa misy ny firotsahana ifotony sy fandraisana andraikitra, ka mandeha ny fanadihadiana momba ny antony nahatonga izao fahamaizana izao. Matetika, vokatry ny tsy fitandremana hatrany no mahatonga ny loza tahaka izao, ka mila mitandrina hatrany ny rehetra, indrindra ireo any amin’ny faritra, izay tena mahita faisana tokoa noho ny tsy fisiana mpamonjy voina akaiky.
Rado Harivelo




