Songadim-baovaoSosialy
HAINTRANO: Tranga efatra indray niseho teto an-dRenivohitra ny sabotsy teo
Nitrangana hain-trano teto Antananarivo, ny sabotsy 19 oktobra lasa teo. Tranga miisa efatra be izao no niseho tao anatin’io andro io, raha ny tatitra avy amin’ny sampana Mpamonjy voina. Voalohany tamin’izany ny nitranga teny Analamahitsy, tokony ho tamin’ny 07 ora. Faharoa tamin’ny 09 ora alina, teny 67Ha. Fahatelo teny Talatamaty, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, ary ny fahaefatra farany, tany Soavinandriana Antsahakely, tokony ho tamin’ny misasakalina mahery. Tao anatin’ireo tranga voatanisa rehetra ireo, dia voalaza fa nahatongavan’ny Mpamonjy voina ara-potoana avokoa. Ankoatr’izay, dia tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra nandritra ny loza nitranga. Nanentana ny mponin’Antananarivo mba hampandre mialoha sy haingana azy ireo ny Mpamonjy voina raha vao miseho ny fahamaizana, mba hisorohana ny fahavoazana be aterak’izany. Ilaina hatrany koa ny fahamailoana hisorohana ny loza, toy ny famonoana ireo fitaovana mpandeha amin’ny herinaratra raha hivoaka ny trano, mba hisorohana ny fifampikasohana tampoka tsy ampoizina. Fadiana indrindra koa ny mametraka samirery ny zaza sy ankizy, ary olona marefo toy ny be antitra sy manana kilema ao an-trano, mba hiarovana ny ain’izy ireny amin’ny trangan’afo mety hisy. Mbola anatin’ny vanim-potoana mafana isika eto Madagasikara amin’izao fotoana ka mila mitandrina manoloana ny hafanana miteraka fahamaizana.



