Songadim-baovaoSosialy

HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA: ankizy valo mianadahy manana fahasembanana ara-tsaina nahavita fiofanana

Notontosaina ny sabotsy lasa teo, tetsy Ankorahotra, ny lanonana nizarana mari-pahavitana fiofanana ho an’ireo zaza miavaka kely, « certificat de fin de formation à l’inclusion numérique », izay manana fahasembanana ara-tsaina « trisomique ». Heverina hoe misy fahatarana ny fiasan’ny atidohan’izy ireo noho ilay fahasembanana, antsoina mahazatra hoe « trisomie 21 », saingy tena kinga saina daholo izy ireo, amin’ny lafiny informatika, raha ny hita nandritra ny fampiofanana, naharitra roa volana nomena azy ireo. « Zaza tahaka ny zaza rehetra izy ireo na dia sembana ara-tsaina aza, ka mendrika, mba hampahalalana momba izany haitao ara-kajy mirindra « numérique » izany, hampifoha sy hahamailaka ny sain’izy ireo. Antony nanosika ahy hanohana ny fandaharanasa nataon’ny fikambanana « down syndrome Madagascar » miahy azy ireo izany, ka nandraisako an-tanana ny fikarakarana ny lanonana natao ho azy ireo », hoy ny Loholona, Lalatiana Rakotondrazafy, izay tena nihetsi-po tamin’ireo ankizy manana fahasembanana ara-tsaina.

Nankasitrahany ireo rehetra nifanome tanana, ny fikambanana « La maison du numérique » nampiofana azy ireo maimaimpoana, sy ny fikambanana UNAPHAM (Union Nationale des Personnes Handicapés Mentaux). Zaza feno fifalia-miaina  sy fahavitrihana ary te hivoatra izy ireo, na dia sembana aza. Mendrika fanohanana izy ireo sy ny raiamandreniny, izay iankinan-dohan’izy ireo. Tiana ny manamarika fa izy ireo ihany no nanamboatra tamin’ny solosaina ny endriky ny « certificat » nozaraina tamin’izy ireo, ohatran’ny hoe fanazarana natao tao anatin’ny fiofanana. Nomarihin-dRazafinjatovo Danielle Laza filohan’ny fikambanana fa folo mianadahy izy ireo no niainga tany am-boalohany, saingy izy valo mianadahy no nahavita. 14 taona ka hatramin’ny 35 taona ny salan-taonan’ireo ankizy, saingy mitovy amin’ny ankizy 12 taona ny sain’izy ireo.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer