PolitikaSongadim-baovao
HALATRA HERINARATRY NY JIRAMA: Hiakatra fampanoavana anio i Lola Rasoamaharo
Araka ny loharanom-baovao, dia hiakatra fampanoavana indray i Lola Rasoamaharo amin’ity anio ity, noho ny raharaha halatra herinaratry ny Jirama izay mahakasika azy, taona maromaro lasa izay. Omaly, niroso tamin’ny fanagiazana ny fananan’ny orinasa MPE (La Gazette de la Grande île) ny Jirama, ho fampiharana ny didy navoakan’ny Fitsarana Ambony teto Antananarivo, Antenimieran’ny varotra ny Alakamisy 28 Jolay 2022. Nomelohin’ny Fitsarana handoa vola mitentina 414 524 704,53 Ariary amin’ny JIRAMA mantsy ity orinasa ity noho ny fandikan-dalàna samihafa mifandraika amin’ny halatra herinaratra nataony tao anatin’ny taona maro.
« Natao izao fanagiazana izao mba ho fepetra fisorohana noraisin’ny Jirama hiantohana ny fiverenan’ny vola tokony ho alohan’ny orinasa MPE. Noraisina izao fepetra izao ho fiarovana ny tombontsoan’ny Jirama amin’ny alalan’ny fampihatoana ny fananan’ny MPE mandra-pahahefany ny totalin’ny vola rehetra voalazan’ny Fitsarana », hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Jirama. Ny Fitsarana Ambony Antananarivo dia manasongadina ny maha zava-dehibe ny ady atao amin’ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny sehatry ny Angovo ary manao lohalaharana ny tokony hanarahan’ny orinasa ny didy aman-dalàna manankery. “Ny Jirama dia manamafy ny fahavononany amin’ny fitandroana ny rariny sy ny mangarahara amin’ny famatsiana herinaratra ary miady amin’ny hosoka amin’ny endriny rehetra”, hoy ny fanambarana.
Fisintonana herinaratra amin’ny andrin-jiro…
Tsara tsiahivina fa ity raharaha halatra herinaratry ny Orinasa Jirama nahatafiditra an’ingahy Lola Rasoamaharo ity dia efa notaterina manokana teto amin’ny Gazety FREE NEWS, ny datin’ny 05 Jona sy 06 Jona 2020. Raha hiverenana ny fandehan’ny tantara, dia nanapaka ny fifanarahana teo aminy sy ny orinasan’i Lola Rasoamaharo antsoina hoe « La Gazette Imprimerie » ny orinasa Jirama, ny taona 2007. Raha ny fanazavana, satria tsy nahaloa ireo faktioran-jirony efa nivangongo fotoana ela ny La Gazette Imprimerie. Ny 31 jolay 2018, nisy ny fidinana tampoka teny amin’ny faritr’i Tanjombato, izay misy io orinasan’i Lola Rasoamaharo io, niaraka tamina Vadintany ny mpiasan’ny Jirama. Tamin’izany no nahitan’izy ireo fa nisintona herinaratra tsy am-pihambahambana ary tsy amin-tahotra tamin’ny andrin-jiron’ny Jirama teo akaiky teo ny La Gazette Imprimerie, izay manonta isan’andro ny gazety La Gazette de la Grande Ile. Hita nandritra izany fidinana tampoka izany, hoy ny tatitra an-tsoratry ny vadintany ny fisiana tariby 4X50mm2 mitarika herinaratra miainga teny amin’ny andrin-jiro ary miditra mankany anatin’ny trano, izay misy ireo milin’io orinasa io. Ary na dia tsy afaka niditra tao anatin’ilay tanàna misy ity trano fanontana printin’i Lola Rasoamaharao ity aza ireo mpanao fanadihadiana, dia nanamafy ny zavatra efa hitan’izy ireo ny fisiana jiro mirehitra avy ao anatin’ilay trano misy ny milina, izay hita avy ety ivelany. « Maty io jiro nirehitra io rehefa notapahin’ireo mpiasan’ny Jirama avy aty ivelany ilay tariby nitondra ny herinaratra niditra tao anaty tanàna », hoy hatrany ny tatitra an-tsoratry ny vadintany.
Ny ampitso, izany hoe, ny 1 aogositra 2018, mbola niverina teny an-toerana ireo mpiasan’ny Jirama sy ny vadintany, mba hanohy ny famotorana, ka tamin’izany raha ny voalazan’ny tatitry ny vadintany no nahitana tao anatin’ilay trano misy ny milin’ny orinasa la Gazette Imprimerie an’i Lola Rasoamaharo fampifandraisana mivantana ny herinaratra avy any ivelany amin’ny ao anatiny, tsy nandalo « compteur » fa nampiasana disjonteur 250A fotsiny. Ka rehefa natohy indray ny tariby teny ivelany, dia niverina ny herinaratra tao anatin’ilay trano misy ny milina. Notsipihin’ny vadintany niaraka tamin’ireo mpiasan’ny Jirama tamin’ireo andro ireo koa ankoatra izany, ny fisiana “groupe electrogene” izay tsy miasa akory. Halatra herinaratra no hamaritan’ny andininy faha-3 amin’ny didim-panjakana 2016-1307 mifehy ny fanaraha-maso sy fanasaziana ny halatra herinaratra ny fisintonana mivantana herinaratra avy amin’ny andrin-jiron’ny Jirama toy io nampanaovin’i Lola Rasoamaharo ny mpiasany ao amin’ny La Gazette Imprimerie io. Halatra izay sazin’ny andininy faha 401 amin’ny fehezan-dalàna famaizana amina sazy am-ponja sy lamandy raha ny voalazan’ny andininy faha-10 amin’io didim-panjakana io ihany. Ny 12 oktobra 2018 no nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana ny orinasa Jirama….
Ny Fanoratana.




