Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

HALATRA JIRO AN-DALAMBE: Lehilahy iray tratra ambodiomby

Nahitam-bokany hatrany ny fiaraha-miasan’ny vondrom-bahoaka ifotony ahitana ny Vaomieran’ny fandriam-pahalemana sy ny mpitandro filaminana. Vokatr’izany, lehilahy iray no tratra teo am-pangalarana jiro an-dalambe, teny Anosibe Mandrangobato, ny maraim-ben’ny alahady lasa teo. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ireo vaomieran’ny fandriam-pahalemana tao amin’ny Fokontany Mandrangobato sy ny Polisim-pirenena no nahazoana io vokatra io, ka mpangalatra ny fananana iombonana no voasokajy ho nanenjehana io lehilahy io. Isan’ny faritra tena lasibatra amin’ny fangalarana sy fanimbana ny fananana iombonana mitovy amin’izany iny Fokontany Mandrangobato Anosibe iny, ka taorian’ny fampiofanana nomen’ny Polisimpirenena ho an’ireo tompon’andraikitra eny ifotony dia izao nahitam-bokany izao ireo anisany fahavalom-piarahamonina. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity ka nentina eny amin’ny biraon’ny Kaomisaria Mahamasina natao andrimaso, ary anaovana fanadihadiana. Anisany fahavalon’ny fiarahamonina sy ny fampandrosoana moa, ny fanimbana na fangalarana fananam-bahoaka tahaka izao. Ny fitondram-panjakana ankehitriny dia tsy mihemotra manoloana ireo fandikan-dalàna

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer