Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

HALATRA TANY – ANKADIFOTSY SY BY-PASS: Rava ny tambazotra iray ahitana sokajin’olona maro

Olana lehibe iray ho an’ny fiarahamonina eto Madagasikara ankehitriny ny ady tany. Mifandraika amin’izany ady sy fangalarana tany izany ny ankamaroan’ireo raharaha tonga eny anivon’ny fitsarana. Anisan’ny vahaolana entin’ny Fitondram-panjakana sy ny avy amin’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ny fanaovana laharam-pahamehana ny ady amin’ny fangalarana tany sy ny famongorana ny tambazotra mafia mpanao io asa ratsy io.

Ahitam-bokatra izany ankehitriny. Nifandray avy hatrany tamin’ny Ministera ny Zandarimaria amin’ny alalan’ny sampam-pikarohana (section des recherches criminelles) mahakasika ny fahatraran’izy ireo tranga mifandraika amin’io fangalarana tany io. Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny olona maromaro efa matihanina amin’ny fisandohana sy fangalarana tany. Fantatra hatreto fa tany eny Ankadifotsy sy By-pass no voakasika amin’ny asa fanaovan-dratsin’ireto tambazotra ireto. Ary efa nandraisan’izy ireo vola an-jatony tapitrisa ariary izany. Sokajin’olona maro no voasaringotra ao anatin’io afera maloto io, hoy ny fampahafantaran’ny Ministera. Ahitana olona miasa eny anivon’ny fokontany, kaominina, mpanera sy orinasa mpikirakira fampindramam-bola iray.
“Manaraka akaiky ny toe-draharaha ny Ministera ary manampy ny mpanao famotorana amin’ny fanomezana ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany. Ny MFFT dia tsy hanao afa-bela ireo izay tafiditra amin’ny raharaha fangalaran-tany ivondronan’ireo mpanao ratsy ary ho ampiharina amin’ireto farany avy hatrany ny lalàna famaizana”, hoy ny fampahafantarana.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer