PolitikaSongadim-baovao
HANAMAFY NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY: Handalo ny Antenimierandoholona anio ny lalàna momba ny Pac
Araka ny fandaharam-potoana dia anio no handalo ao amin’ny Antenimierandoholona ny tolo-dalàna 001-2020/PL, manitsy sy mameno ny lalàna 2016-021 tamin'ny 22 août 2016, mahakasika ny Pôles Anti-Corruption (PAC). Ny faran’ny herinandro teo, nisy ny fanazavana nentin'ny Loholon'i Madagasikara, Ramatoa Landy Randriamanantenasoa, momba ity tolo-dalàna ity, izay hanamafy bebe kokoa ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika, araka ny nambarany.
Anisan’ny vaovao mbola mitàna ny sain’ny maro ankehitriny ny momba ilay tolo-dalàna laharana 001-2020/PL, manitsy sy mameno ny lalàna 2016-021 tamin’ny 22 août 2016, mahakasika ny Pôles Anti-Corruption (PAC). Misy ireo miresaka azy io hanomezana ny tsiny ny mpitondra ankehitriny ho mikasa hampihemotra indray ny ady amin’ny Kolikoly eto amintsika. Tsara ho fantatra anefa fa tolo-dalàna avy any amin’ny Depiote izy io, fa tsy volavolan-dalàna niainga avy eo anivon’ny Governemanta akory. Araka ny nambaran’ny Loholon’I Madagasikara, Ramatoa Landy Randriamanantenasoa, dia azo anaovana fanitsiana na fanovana avokoa ny lalàna rehetra rehefa hita fa misy singa tokony hahitsy ao anatiny, isan’izany ity lalàna 2016-021 ity. Raha tsiahivina, ny alakamisy 02 jolay 2020 teny amin’ny CCI Ivato no nodinihina sy nolaniana teo anivon’ny Antenimierampirenena ity tolo-dalàna ity, izay natolotry ny Solombavambahoaka Keron Idéalison. Taorian’izay, nandalo ny fandinihan’ny teo anivon’ny Vaomieran’ny lalàna ao amin’ny Antenimierandoholona ny tolo-dalàna. Anio kosa no fantatra fa hodinihina eo anatrehan’ny fivoriana itambaramben’ireo Loholona ity tolo-dalàna ity.
Mampifantoka bebe kokoa amin’ny ady amin’ny kolikoly
Tsiahivina fa tany am-piandohana dia efa nisy ny rafi-pitsarana nisahana ny ady amin’ny kolikoly, sy ny famotsiam-bola teto amintsika. Ny lalàna 2016-021 kosa no nametraka ny “Pôle anti-corruption” (PAC) taty aoriana, izay nitohy nisahana ireo andraikitra ireo. Ary mbola niampy andraikitra hafa aza izany, dia ny fahafahany mitsara ireo “infraction économique et financière”. Anisan’ny teboka lehibe ao anatin’ity lalàna ity koa ny fanamafisana bebe kokoa ny fahaleovantenan’ny mpitsara izay miandraikitra ireo raharaha voalaza ireo. Io lalàna io izay efa nampiharina nandritra ny taona vitsivitsy. Amin’izao fotoana, nahatsapa ny Depiote tompon’ny tolo-dalàna, niainga avy tamin’ny tatitry ny vahoaka, fa misy andininy vitsivitsy izay tokony hitondrana fanitsiana, na fanampiana ao anatin’io lalàna io. Fanitsiana izay natao hanatsarana ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika, raha ny fanazavana. Misy tokoa ireo andraikitra fantatra fa noesorina tamin’ny PAC, ao anatin’ity tolo-dalàna vaovao ity. Saingy izany anefa dia mampifantoka bebe kokoa ireo mpitsara eo anivon’ny PAC amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola izay tena iraka fototra nampanaovina azy ireo, hoy ny fanazavana. Etsy ankilany, mampisy fifandanjana sy firindrana eo amin’ny fitsarana manerana ny Nosy koa ity fanovana ity. Araka ny fantatra mantsy dia averina eny amin’ny fitsarana manerana ny Nosy ny ampahany amin’ny raharaha noraisin’ny PAC teo aloha. “Tsy manamaivana ny asan’ny PAC fa manampy azy ireo hifantoka amin ‘ny ady amin’ny koikoly izany”, hoy hatrany ity Senatera ity. Ny tenany izay nanipika mazava tsara fa tsy mivaona amin’ny fifanarahana iraisampirenena ny fanovana ny lalàna mifehy ny PAC. “Tsy misy mihitsy andininy milaza fa foanana ny Pac”, hoy hatrany izy.




