PolitikaSongadim-baovao
HARENA AN-KIBON’NY TANY – BASE TOLIARA: “Tsy maintsy trandrahina vao misy tombontsoa ho an’ny firenena”
Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ireo raharaha mahabe resaka eto amin’ny firenena toy ny resaka Nosy Malagasy sy ny raharaha Base Toliara ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy omaly. Mahakasika ny fitrandrahana ataon’ny “Base Toliara” manokana dia notsindriany fa tsy azo ihodivirana ny fitrandrahana ireo Harena an-kibon’ny tany mba hitondra vokatsoa sy tombony ho an’ny firenena ny fananana azy ireny.
Nazava ny fanehoan-kevitra nataon’ny Loholon’i Madagasikara Lalatiana Rakotondrazafy, fa tsy misy firenena andalam-pandrosoana mandroso izany raha tsy misy fitrandrahana mivantana ataon’ny vahiny. Ny fitrandrahana ataon’ny « Base Toliara » any Atsimon’ny Nosy dia fitrandrahana amin’ny alalana fampiasam-bola ataon’ny vahiny. Raha tsiahivina dia ny Fehezan-dalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany ao amin’ny Lalàna 2023-007 no mandritra ny tontolon’ny fitrandrahana Harena an-kibon’ny tany eto amintsika. Ny andininy fahadimy amin’io lalàna io dia milaza fa « Tous les gîtes de substances minières, fossilifères et de carrière en surface, dans le sous-sol, les eaux et les fonds marins du Territoire de Madagascar en tant que richesses nationales, sont propriétés de l’Etat. » Izany hoe, ny fananana any ambanin’ny tany na ambonin’ny tany, na anaty rano, dia fananam-pirenena, ary an’ny Fanjakana. Ny Filoha Rajoelina no misolo tena ny Fanjakana satria lanim-bahoaka. Midika izany fa tompon’ny fanapahan-kevitra ny tenany sy ny Governemantany amin’ny fomba itantanana ny tontolon’ny Harena an-kibon’ny Tany eto Madagasikara. Midika koa io andininy fa tsy misy olon-tokana na vondron’olona milaza ho tompon’ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika. Izany hoe, ny akora trandrahin’ny tetikasa Base Toliara dia tsy an’ny Depiote Siteny Randrianasoloniaiko na ireo izay miray tendro aminy manohitra ny tetikasa.
Tsy manana fitaovana sy fahaiza-manao
Notsindrian’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy fa tsy misy tombony ho an’ny firenena mihitsy raha toa ka avela ao ambanin’ny tany ny Harena. Lojika isika raha tsy manana vola hanamboarana hopitaly, sekoly sy ny sisa, satria ny harentsika taraiky ao ambanin’ny tany, araka ny fanazavany. “Tsy maintsy trandrahina ny harena an-kibon’ny tany. Izany daholo no nahatonga ny fandrosoana any amin’ireo firenena andalam-pandrosoana manerana an’izao tontolo izao”, hoy hatrany ny fanazavany. Tsy vitantsika nefa ilay izy. Tsy manana ny fitaovana isika, tsy manana fahaiza-manao isan-karazany isika. Izay mahatonga antsika miantso mpampiasa vola avy any ivelany mba hahatonga ny Malagasy ananana tombony amin’ny fananana an’ilay harena. “Matoa tonga ny mpampiasa vola dia mahasarika azy ireo izany ny firenena malagasy. Izay ilay fahaiza-manaon’ny Fanjakana tarihin’ny Filoha Rajoelina amin’ny fifampiraharahana satria tsy isika irery no azo itrandrahana manerana an’izao tontolo izao”, hoy ny nambarany. Marihina fa mbola ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina koa no nanavao ny fifanarahana amin’ny Base Toliara mba hahazoan’i Madagasikara tombontsoa.
Fahasalamana?
“Tsy isika irery no voalohany nitrandraka teto ambonin’ny tany”, hoy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy, raha namaly ireo fanehoan-kevitra mahakasika ny fiantraikany ara-pahasalamana sy ara-tontolo iainan’ny tetikasa. Tsy maintsy hisy ny “radioactivité” fa jerena ny ampihenana ny fiantraikany mba tsy hamono ny vahoaka malagasy. Amin’ny fitrandrahana rehetra, na aiza na aiza, dia tsy maintsy misy foana io ambana amin’ny resaka “radioactivité” io fa ny mila ifanarahana mazava amin’ny mpitrandraka dia ny hampihenana izany ambana izany. Toy izany ihany koa ny fiantraikany amin’ny resaka tontolo iainana. Toy izany ihany koa ireo toeram-pitrandrahana lehibe efa mandeha eto amintsika ireny toy ny QMM any Taolagnaro sy ny Ambatovy ao Moramanga sy Toamasina.
Ankoatra ny raharaha Base Toliara moa dia isan’ny novelabelarin’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy nandritra ny fotoana naharitra ny fomba fijery mahakasika ny resaka Nosy Malagasy, ary ny momba ny fampodiana ny Kabeson’ny Mpanjaka Sakalava Toera.




