PolitikaSongadim-baovaoToekarena
HARENA AN-KIBON’NY TANY: Miverina ny fanondranana volamena, nametraka fepetra maro ny Fanjakana
Nisongadina tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra, omaly 30 Marsa 2023, ny fanafoanana ny fepetra nampihantona ny fanondranana volamena taorian’ny fampandaniana ny didimpanjakana mikasika ny fitantanana ny volamena (Régime de l’or). Fepetra maro, araka izany, no noraisina manoloana izao fanapahan-kevitra izao mba hisorohana ny fanondranana an-tsokosoko sy ny gaboraraka amin’ny famoahana ny harem-pirenena.
Volamena 3.051 kilao monja no voaporofo fa naondrana ara-dalàna raha ny tarehimarika tamin’ny taona 2018, kanefa araka ny fanadihadiana natao tany Dubaï, izay firenena tena mpandray ny volamena avy aty Madagasikara, dia tafiakatra hatrany amin’ny 12 ka hatramin’ny 15 taonina ny volamena naondrana antsokosoko, araka ny fampahatsiahivina nataon’ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Raha tombanana dia nitetim-bidy teo amin’ny 945 tapitrisa dolara amerikana teo ny vola very noho ireo fanondranana an-tsokosoko ireo. Teo anatrehan’izany, voatery nandray fepetra ny Fitondram-panjakana tamin’ny 25 septambra 2020, nampihantona ny fanondranana volamena mba nahafahana nandinika amin’ny antsipiriany ny tetikady tokony hapetraka mba hiadiana amin’ny fanondranana antsokosoko sy hamerenana amin’ny ara-dalàna ny sehatry ny fanondranana volamena eto Madagasikara.
“3 taona no nanaovana ny fandinihana sy ny fanadihadiana niaraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara, ka vita soamantsara izany ankehitriny, ary dia narafitra ao anatin’ny didim-panjakana izay noraisina tao anatin’ny Filan-kevitry ny Governemanta androany maraina”, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly.
Isan’ireo misongadina ao anatin’ny fanavaozana natao ao anatin’izao fiverenan’ny fanondranana izao, araka izany ny fanamafisana ny fepetra sy ny mason-tsivana hahazoan-dalana manangana « comptoir de l’or » mba tena hikendry ireo mpandraharaha matihanina sy ara-dalàna eo amin’ny sehatry ny volamena. Eo koa ny fanamafisana ny fepetra takiana amin’ireo antsoina hoe « promoteur du comptoir » sy ny fanarahamaso azy ireo mba hialana amin’ny hosoka maro sy ny fisian’ny mpindrana anarana « prête-nom » eo amin’ny resaka fanondranana volamena. Ankoatra izay, teboka napetraky ny Fanjakana koa ny famaritana vaovao ny satan’ny fanondranana volamena ka hitakiana ny fanomezan-dalana « agrément de comptoir de l’or » ho an’ireo mpandraharaha rehetra maniry hanondrana volamena.
“Traçabilité”
Amin’izao fiverenan’ny fanondranana izao ihany koa dia napetraka ny tsy maintsy hamerenana ny vola eto Madagasikara (rapatriement de devises) sy ny tsy maintsy hitondrana ny vola eo amin’ny tsena iraisan’ireo banky amin’ny fifanakalozana ara-bola (marchés interbancaires de devises). Eo koa ny fametrahana fepetra sy sazy ara-panjakana ho an’ireo mpandraharaha tsy mamerina ny vola vidina volamena eto Madagasikara, ny fanafohezana ny fe-potoana tsy maintsy hamerenana ny vola azo avy amin’ny fanondranana. Tetsy ankilany, ny fanamafisana ireo andininy mifehy ny fanarahamaso ny fivarotana volamena, ny fanamafisana ny fepetra hisian’ny “traçabilité” ho an’ny volamena, hahafantarana ny niavian’ny volamena sy ny lalana nandalovany mandra-pahatonga any amin’ny toerana hanondranana azy, ary koa ny famaritana vaovao ireo sazy ara-panjakana mikasika ny tsy fanajana ny fepetra takiana amin’ny fananganana “comptoir de l’or”. Ary anisan’ny fepetra farany napetraka ny fametrahana toerana tokana na “guichet unique” hikirakirana ny antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fahazoan-dalana hanondrana volamena.



