Songadim-baovaoToekarena
HARENA AN-KIBON’NY TANY : Tombontsoa maro azon’i Madagasikara amin’ny fidirana ao amin’ny « MSP »
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra, ny herinandro lasa teo, ny idiran’i Madagasikara amin’ny Minerals Security Partnership (MSP). Araka ny fanadihadiana, tamin’ny taona 2022 ny Etazonia no nanangana ny MSP izay sehatra natao hampiroboroboana ireo rojom-pamokarana ireo « minéraux critiques » amin’ny alalan’ny fanohanana ireo firenena mpamokatra mitady mpampiasa vola na ihany koa fanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa sy fanatsarana ny politika fampandrosoana ny harena an-kibon’ny tany. Nahazo fanasana manokana araka izany i Madagasikara iditra ao anatin’izany vovonana izany izay hanampy amin’ny fanamafisana ny toeran’ny firenena malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fidirana amin’ity vovonana ity ihany koa dia ahafahana mametraka fiaraha-miasa vaovao sy hifanakalozana traikefa sy ireo fomba fanao tsara.
Marihina fa manana « minéraux critiques » misongadina i Madagasikara izay tadiavina manerana izao tontolo izao. Tombontsoa maro, araka izany, no ho azon’ny Firenena malagasy amin’ny fidirana ao anatin’ny MSP, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany. Anisan’izany ny fanatsarana ny fampahafantarana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika misarika mpampiasa vola. Eo koa ny fanitarana ireo fiarahamiasa stratejika amin’ny alalan’ny fizarana ireo antontam-baovao momba ireo tetikasa iarahana amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny MSP, ireo rafitra ara-bola ary ireo sehatra tsy miankina. Tombony ihany koa ny fahafahana mandray anjara amina sehatra politika hanasongadinana ireo zava-kendren’i Madagasikara, sy ifanakalozana ireo fomba fanao tsara sy mahomby ary manatratra ireo fanamby.
« Ny Governemanta malagasy dia manamafy ny finiavany hitrandraka amin’ny fomba mahomby sy maharitra ireo harena voajanahary eto amintsika, ho fampandrosoana ny firenena sy ho fanasoavana ny vahoaka malagasy », araka ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany.
LR.




