Songadim-baovaoToekarena

HARENA AN-KIBON’NY TANY: Tombony ho an’ny toekarem-pirenena ny nametrahana ny « Droit de sortie »

Ny 33%-n’ny vola miditra eto Madagasikara dia avy amin’ny fanondranana Harena an-kibon ‘ny Tany avokoa, araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana malagasy, Lainkana Zafivanona Ernest. Ny 30% amin’ireo dia avy amin’ny fitrandrahana ao Ambatovy sy QMM, ary ireo vokatra hafa ny 3% ambiny. Midika izany fa ambany ny vola sitrahan’ny firenena amin’ireo fanondranana harena an-kibon’ny tany samihafa. Raha ny tarehimarika voaray avy eo anivon’ny Fadintseranana malagasy, dia eo anelanelan’ny 1 sy 1,5 dolara isaky ny kilao monja no “valeur” na ny sandan’ny vokatra harena an-kibon’ny Tany ao anaty antontan-taratasy voamarina avy any amin’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany, amin’ny fanondranana. Mitovy manodidina izany “valeur” izany daholo ireo vokatra rehetra, na dia kalitao tsy mitovy aza.

Teo indrindra no nahatonga ny Fanjakana, tamin’ny alalan’ny Fadintseranana malagasy, nandray fepetra mba hahatonga ny firenena afaka hisitraka tombontsoa araka ny tokony ho izy amin’ireo harena an-kibon’ny Tany trandrahana eto amintsika, izay harena tsy azo havaozina. Napetraka, noho izany, ny “Droit de sortie”, izay sandany alaina amin’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny Tany, amin’ny famoahana vokatra eto amintsika. Efa voafaritra ao anatin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2023 (LFI 2023) ny fametrahana ny “Droit de sortie”.

Tetsy ankilany anefa, nisy ireo mpandraharaha misehatra amin’ny tontolon’ny Harena an-kibon’ny Tany no velon-taraina noho ny fametrahana ity “droit de sortie” ity. Voalazan’izy ireo fa efa betsaka ireo haba sy hetra ary ristorna aloan’izy ireo mialohan’ny fanondranana ny vokatra ka mavesatra amin’izy ireo ny mbola nametrahana indray ny “droit de sortie”. Teo anatrehan’izany, nametraka sehatra ifampiresahana ny Fadintseranana malagasy, tamin’ny alalan’ny “Dialogue Public-Privé”. Nojerena ny fepetra azo raisina manoloana ny fitarainan’ireo mpandraharaha. “Satria lalàna no nametrahana ny droit de sortie, noho izany, tsy maintsy lalàna no manafoana azy. Fa kosa, “clause transitoire” no natao, izany hoe, fepetra manokana hifampitsinjovana”, hoy ny Tale jeneralin’ny Fadintseranana malagasy. Tapaka àry fa izay “contrat” natao talohan’ny fahalian’ny LFI 2023, dia tsy mandoa ny “droit de sortie”. Dikany, mihatra ny “droit de sortie” ho an’izay “contrat” natao taty aorian’ny LFI 2023. Na izany aza, tsy maintsy hisy fanatsarana atao mahakasika ity resaka « droit de sortie » ity, indrindra mahakasika ny sandany alaina isaky ny vokatra harena an-kibon’ny Tany isan-tsokajiny avy. Mety hisy, noho izany, fanitsiana atao amin’ny LFR 2023.

Fermer