PolitikaSongadim-baovao
HARENA AZO TSY ARA-DALANA : Tany sy trano miisa 38 nogiazan’ny ARAI ny taona 2024
Am-perinasa tanteraka ny Sampandraharaha misahana ny famerenana amin’ny Fanjakana ny Harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna (ARAI), izay iray amin’ireo Rafitra miady amin’ny kolikoly eto amintsika, ankoatra ny Bianco, Samifin, Pac, CSI. Nanomboka ny taona 2024, nanova fomba fiady ireo mpanao kolikoly, raha ny tatitra nataon’ny ARAI omaly. Tafiditra anatin’izany ny fanodinana ireo vola azo tamin’ny tsy ara-dalàna amin’ny zavatra hafa fa tsy tehirizina any amin’ny Banky intsony. Araka izany, nihena 4,35% io tahan’ny vola azo tamin’ny fanagejana kaonty io ho an’ny taona 2024, raha oharina tamin’ny taona 2023 izay tafiakatra 6 900 000 000 Ariary. Manao ny fomba rehetra hanagiazana ireo fananana tsy ara-dalàna ireo ny ARAI hahazoana fahombiazana, araka ny fanazavan’ny Tale jeneraly Mpisolo toerana, Rajhonson Rado. Notsindriany fa noho ny tsy fandehanan’ireo mpanao kolikoly any amin’ny banky dia lasa manao fampiasam-bola amina zavatra hafa izy ireo ametrahany ny volany. Ho an’ny taona 2024 manokana, dia 38 isa ireo trano sy tany nanaovana fanagejana. Mirefy 494Ha ireo raha atambatra ny velarany.
Ho an’ny taona 2024 ihany dia olona 296 no voakasiky ny fanagiazana nataon’ny ARAI. Ny 66% amin’ireo dia avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny 13% mpiasam-panjakana, ary ny 20% tsy voamarina ny sehatra misy azy. Etsy ankilany, fiara 46 sy kodiarandro 1 ary sambo 7 no voageja. Kaonty amin’ny banky miisa 827 sy kaonty mobile money 133 no nogiazana. Ankoatra izay, vola 7 386 616 685 Ariary voageja no miandry famindrana ao anatin’ny “compte de consignation”. Ary vola 489 633 055 Ariary no arotsaka anaty tahirim-bolam-panjakana.
Nisy koa ireo fananana naverina tamin’ny tompony mitentina 591 034 928 Ariary, fiara 49 ary moto 11. Ireo fananana miverina amin’ny tompony ireo dia tanterahina rehefa voamarina fa tsy meloka ilay olona nanaovana fanadihadiana teny amin’ny Fitsarana aorian’ny andron’ny fitsarana azy.



