Songadim-baovaoToekarena
HARENA VOAJANAHARY SY NY FIAINANA DIA: Ahina ho lany tamingana ny Sokake, hamafisina ny fiarovana
Sokake na ihany koa hoe sokatra dia. Iray amin’ireo harena voajanahary ara-tontolo iainana mampiavaka an’i Madagasikara io. Tato anatiny 6O taona mahery anefa izao, nahazo vahana hatrany ny fanondranana io harem-pirenena io ka ahina ny hahalany tamingana azy. Ao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny “fiainana dia”, omen-danja ny fiaraha-mientana amin’ny fiarovana io biby dia io.
Eto Madagasikara avokoa no ahitana ny 5%-n’ny karazan-javamanan’aina manerana izao tontolo izao. Mitana ny laharana fahaefatra isika raha milahatra amin’ireo nosikely rehetra maneran-tany fantatra fa manana karazan-javamanan’aina betsaka sy toerana miavaka. Maro karazana ireo zavamanan’aina misy eto amintsika ireo izay ahitana biby sy zavamaniry samihafa. Ny ankamaroan’izy ireny dia any anatin’ny faritra arovana no ahitana azy. Ho antsika eto Madagasikara manokana, miisa 123 ireo faritra arovana izay misandrahaka amin’ny velaran-tany 6 233 317ha ho an’ny faritra arovana an-tanety ary 1 379 029ha ny faritra arovana an-dranomasina.
Tafiditra ao anatin’ireo zavamanan’aina tsy fahitana raha tsy any anaty faritra arovana ny zavamaniry sy biby dia. Araka izany, ireo zavamaniry sy biby mipetraka sy maniry any anaty ala mbola tsy nokasihin’olombelona no sokajiana ho zavamanan’aina dia. Toy ireo zavamanan’aina rehetra, tombony lehibe ho antsika ny fananana azy ireo izay tsy afa-misaraka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny asa fampandrosoana. Ohatra azo tsapain-tanana mivantana amin’izany ny fanomezany loharanon-karena ara-tontolo iainana sy ny fiarovany amin’ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Maro karazana ihany koa ireo zavamanan’aina dia ireo. Tato anatin’ny taona maro izao, nahazo vahana ny fandripahana ny karazan-tsokatra dia antsoina hoe Sokake. Ho fiaraha-mientana amin’izany indrindra, ny fiarovana ireo Sokake ireo no omen-danja mandritra izao fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fiainana dia izao.
Fankalazana ny andro manerantany
“Fiaraha-misalahy ho fiarovana ireo karazam-biby sy zavamaniry dia”, izany no lohahevitra navoitrantsika teto Madagasikara tao anatin’izany fankalazana ny andro manerantany ho an’ny “fiainana dia” na ny “vie sauvage” izany. Taorian’ny fanapahana teo anivon’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 2013, miditra amin’ny fahafolo taonan’ny fankalazana isika amin’ity taona 2023 ity. Daty mifanandrify amin’ny andro nanaovana sonia ny fifanarahana momba ny varotra iraisam-pirenena amin’ny karazam-biby sy zavamaniry dia tandindomin-doza ihany koa io, izay natao tamin’ny taona 1973. Noho izany, isan’ny antony nandraisana ny safidy mahakasika ilay lohahevitra.
Tany amin’ny faritra arovana tany Menabe-Antimena, tany Morondava, no nosafidiana hanaovana ny ivon’ny fankalazana nasionaly omaly. Hetsika maro no notontosaina tany an-toerana. Anton’io safidy io, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Haitondra ara-tontolo iainana eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Razafindrabe Rinah, ny maha toerana mitahiry karazan-javamaniry sy biby maro tsy fahita raha tsy ao amin’io toerana io.
Fiarovana ny Sokake
Araky ny voalaza tetsy ambony, biby voasokajy ao anatin’ny karazan-tsokatra ny Sokake, izay tsy fahita raha tsy eto Madagasikara na ilay antsoina hoe “endémique”. Any amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy no ahitana azy ary ankoatra izay maha mampiavaka azy eo amin’ny tontolon’ny rohivoary (biodiversité) izay, dia isan’ireo mbola voasokajy ho biby “dia” ihany koa izy. Nanomboka ny taona 1960 no nipetraka ny lalàna fa isan’ireo biby arovana ny Sokake ary tsy azo atao ny fitrandrahana sy ny fanondranana azy. Mifampiankina be amin’ny kolontsaina any amin’ireo foko misy ny Sokake ny fandraisana io fanapahan-kevitra io, hoy ny fanazavan-dRabotovao Mamisoa, talem-paritry ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampivoarana Lovainjafy any Matsiatra Ambony. Tsy maintsy hiverenana ny fototra toy izany, hoy hatrany izy, mba hahafahana mampita amin’olona ny fanentanana amin’ny fiarovana azy ireo. An-tapitrisany maro ny Sokake nisy tany amin’ny foko Mahafaly sy Antandroy tamin’izany vanim-potoan’ny fahaleovan-tena izany. Ankehitriny, mizaka ny tsindry lehibe vokatry ny fitrandrahanana an-tsokosoko ity karazan-javamanan’aina ity. Tsy mijanona amin’ny fitrandrahana ato anatiny fotsiny ihany fa tonga hatramin’ny fanondranana any amin’ireo firenena ivelany izany, indrindra aty amin’ny faritr’i Afrika toy ny Tanzanie, Mozambique ary Comores. Vokany, mitady ho lany tamingana io biby dia harovana io.
Tranga tamin’ny volana janoary
Mbola mitohy mandrak’ankehitriny ny fitrandrahana ireo Sokake ireo. Tamin’ny faraparan’ny volana janoary lasa teo, nisy ny fahatrarana tranga iray tao Fianarantsoa. Raha ny marimarina kokoa, tamin’ny alin’ny 28 hifoha ny 29 janoary no niseho izany. Sokake 20 isa no tratra tao anaty fiara mpitondra entana iray niainga avy any Ambovombe ary nasitrika tao anaty gony nisy harina fandrehitra ireo. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpitandro ny filaminana no nahatrarana azy saingy efa tafaporitsaka kosa ireo tena tompon’antoka tamin’ny fanondranana. Rehefa nandeha ny fanadihadiana, olona roa no voapanga ary efa natolotra avy hatrany ny fampanoavana izy ireo.
Ny fikambanana tsy miankina TSA na ny Turtle Survival Alliance no fantatra fa hiandraikitra ny fampodiana ireo Sokake ireo any amin’ny faritra Atsimo. Izy ireo moa dia misehatra amin’ny fiarovana ireo sokatra maneran-tany ka omaly no nanaovana ny fanolorana izany ho azy ireo.
Mbola tatitra avy amin’ny TSA ihany koa no nahafantarana fa manodidina ny 7 isan-kerinandro ireo ranty amin’ny tambazotran-tserasera tsikaritr’izy ireo maneho fivarotana karazan-tsokatra, ary mbola betsaka mihoatra lavitra noho izany ireo mpanjifa mbola mitady sy manafatra azy. Ny tombotsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ny fiompiana sokatra, biby natao ho namana sy haingon-tanàna, ireo amin’ny ankapobeny no tena antony mahasarika ny olona hividy sokatra. Mahaliana sy be mpitady indrindra amin’izany ny Sokake izay mbola vatombatony na ihany koa salantsalany. Singa voalohany manafaingana ny fandripahana ireto karazam-biby dia ireto anefa izany satria tsy afaka ny hanan-taranaka intsony izy ireo raha toa ka sarahana eo amin’io salan-taona io. Tsara tsindrindra hatrany, ny fanondranana ireo harem-pirenena ireo dia mety hiteraka fampidirana am-poja 4 hatramin’ny 20 taona ary fandoavana lamandy 100 hatramin’ny 400 tapitrisa ariary.
Fanamafiana ny fiaraha-mientana
Noho ny tranga toy izany indrindra, manamafy hatrany ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Miantso ny fifanomezan-tanan’ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpiara-miombon’antoka izy ireo ao anatin’izany fiarovana ireo harena voajanaharintsika ireo izany. Paikady hapetraka, arak’izany, ny fanamafisana ny fiambenana eny amin’ny lalam-pirenena manerana an’i Madagasikara sy eny amin’ny manodidina ireo toerana sy faritra arovana ahitana ireo harena voajanahary.
Zava-poana ihany anefa ireo raha toa ka tsy ny olom-pirenena tsirairay mihitsy no tonga saina amin’ny voka-dratsy ateraky ny fitrandrahana sy ny fanondranana ireo harem-pirenentsika. Noho izany, hamafisina ihany koa ny fanentanana azy ireo ho fifanampiana ao anatin’ny fiarovana ny harena voajanaharintsika. Toy izany ihany koa ny mahakasika ny fandraisan’andraikitra sy fanomezan-tanana amin’ny fanomezam-baovao.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.



