PolitikaSongadim-baovao

HARILALA RAMANANTSOA : Akaiky ny fon’ny mponin’Antananarivo

Amin’ny maha vehivavy azy dia mampiavaka an’i Harilala Ramanantsoa mitaha amin’ireo mpifanandrina aminy mandritra ity fifidianana Kaominaly 2024 ity, ny fananana fon-dreny, izay mahay mihaino ny sokajin’olona rehetra, mahalala ny marary sy ny filàn’ny vahoaka.

Voaporofo tamin’ireo fidinana ifotony rehetra efa nataon’ny Kandidà laharana fahafito eto Antananarivo, Harilala Ramanantsoa fa akaiky ny fon’ny vahoaka ny tenany. Amin’ny maha vehivavy azy, dia ananany ilay fon-dreny, afaka mihaino ny sokajin’olona rehetra, afaka mandray ireo fitarainana samihafa, sy mitondra vahaolana manoloana ireo olana isan-karazany sedrain’ny mponina.
Mipetraka tanteraka amin’ny maha Reny azy i Harilala Ramanantsoa. Tsapa izany na fony izy mbola teo amin’ny fitantanana ny tanàna aza, tamin’ny naha Filohan’ny Delegasion’ny tanànan’Antananarivo azy. Rehefa nitaraina ny mponina noho ny haratsian’ny lalàna teto an-drenivohitra, dia namaly izy, izay niara-niasa tamin’ny Faritra Analamanga sy ny Fanjakana foibe, tamin’ny fanamboaran-dalana. Toy izany koa, rehefa nitaraina ny mponina noho ny fidangan’ny Hetran-trano takian’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, dia tsy nisalasala Ramatoa Harilala Ramanantsoa nandray fanapahan-kevitra nampidina izany, hatrany amin’ny 50%. Entina ilazana izany fa mahalala tsara marary ny vahoaka ny tenany ary vonona itondra vahaolana fa tsy mijanona amin’ny fihainoana fotsiny ihany.
Mahasahy mijoro, manana vina
Misongadina ny herintsaina sy ny fahasahiana ananan’ny Kandidà Harilala Ramanantsoa, na dia ny fijoroana manoloana ireo kandidà lehilahy miisa enina mpifaninana aminy ihany aza. Ny mahavariana aza dia misy amin’ireo kandidà lehilahy ireo no tsy mahasahy miatrika akory adihevitra, satria tsy niomana, tsy manana vina, ary tsy manana hevitra entina miatrika ny mpifanandrina kanefa mihambo hitantana ny tanànan’Antananarivo. Tsy mba toy izany kosa ny Kandidà Harilala Ramanantsoa, izay manana vina maty paika, tsy misy hevitra misavoana fa azo tanterahina tsara ho an’ny tombontsoan’ny vahoakan’Antananarivo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer