PolitikaSongadim-baovao
HARILALA RAMANANTSOA: Ben’ny tanànan’Antananarivo ho an’ny 5 taona manaraka
Omaly no namoaka ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teto amin’ny Faritanin’Antananarivo ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana. Nivoitra nandritra izany fa Ramatoa Harilala Ramanantsoa no voafidy ho Ben’ny tanànan’Antananarivo, izay itantana ny tanàna mandritra ny dimy taona ho avy.
Araka ny efa nampoizin’ny mpanara-baovao, ny kandidàn’ny vovonana Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina, Ramatoa Harilala Ramanantsoa, no nibata ny fandresena tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra, araka ny vokatra ofisialy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana omaly. Izy indray, araka izany, no itantana ny tanàna ato anatin’ny dimy taona manaraka.
Ho an’ny toeran’ny mpanolontsaina kosa indray dia niisa 23 ireo azon’ny Vovonana IRMAR, 20 ny TIM, 7 ny Tia Tanindrazana, 3 Mouvement Gasikara, ary nahazo iray avy ny RTM sy ny Iarivo Mandroso. Manana ny maro an’isa eo anivon’ny mpanolontsain’ny tanàna, araka izany, ny IRMAR.
Tsy nampiova ny vokatra
Raha ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana omaly dia nisy ampahana vato azon’ny kandidà Harilala Ramanantsoa no nanesorana, taorian’ny asa fanirahan-tena nataon’ny Fitsarana, ka nahitana tsy fahatomombanana teo amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana niainga avy any amin’ny birao fandatsaham-bato, toy izay niseho teny amin’ny EPP Ambohidahy, Ambohitsoa, Ivandry. Na teo aza anefa izany, tsy nampiova ny vokatra ankapobeny efa navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ny fanafoanana ireo ampaham-bato ireo.
Nisy kosa, tetsy ankilany, ireo fari-piadidiam-pifidianana izay namoahan’ny Fitsarana didy ny hamerenana ireo fifidianana noho ny tsy fahatomombanana niseho tamin’ireo toerana ireo ka tsy ahazoana antoka intsony ny fahamarinan’ny latsa-bato. Isan’ny voakasik’izany ny ao amin’ny Kaominina Morarano, Distrikan’Arivonimamo. Eo koa ny Kaominina Masindray sy ny Kaominina Antanetibe samy ao amin’ny Distrikan’i Soavinandriana.
“Ordonnance” ?
Tao anatin’ny famaranana ny fotoam-pitsarana omaly dia nanisy resaka manokana ny resaka “ordonnance” nahabe adihevitra tato ho ato koa ny Filohan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana. Nambarany fa na dia ny Fitsarana tsotra aza no misahana ny fanomezana izany dia nijery sy nanara-maso ny zava-niseho nandritra ny zotram-pifidianana ihany izy ireo amin’ny maha rafi-pitsarana misahana ny raharaham-pifidianana kaominaly azy. Tao anatin’izany dia nahatsikaritra ity rafi-pitsarana ity fa tsy manohintohina velively ny fahamarinan’ny voka-pifidianana ny nampiasana ny “ordonnance”. Olona vitsy ihany koa no tonga nifidy tamin’ireo olona nisitraka ny “ordonnance” ka natao tao amin’ny lisitra tovana. Azo amarinina tsara izany, hoy ny fanazavana. Araka izany, marina sy azo itokisana ny voka-pifidianana navoaka omaly.
LR.




