PolitikaSongadim-baovao

HARILALA RAMANANTSOA : Programanasa azo tanterahina fa tsy rendrarendra fotsiny

Ny kandidà Ben’ny tanànan’Antananarivo, laharana fahafito, Harilala Ramanantsoa irery ihany no manana vina sy programanasa mitombina sy azo tanterahina amin’ireo mpifaninana amin’ny fifidianana Kaominaly eto an-dRenivohitra. Tombony ho azy ny traikefa nananany tamin’ny naha efa mpanolontsain’ny tanàna azy, sy ny naha Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Tanànan’Antananarivo azy.

Isan’ny lohalaharana amin’ny fanenjehana ny Kandidàn’ny Vovonana “Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR”, Harilala Ramanantsoa, ingahy Tahina Razafinjoelina. Ambaran’ity farany fa rendrarendra sy fisehosehoana ivelany fotsiny no misongadina ao anatin’ny fampielezan-kevitra ataon’i Harilala Ramanantsoa, fa tsy misy votoatin-kevitra. Mifanohitra tanteraka amin’izany anefa ny zava-misy. Ny Kandidà laharana fahafito, Harilala Ramanantsoa, irery ihany hatreto no miresaka ny tena olan’ny vahoaka. Izy rahateo efa nisahana ny andraikitra naha mpanolontsaina monisipaly nanomboka ny taona 2015 ka hatramin’ny 2019, ka mahalala tsara ny olan’Antananarivo sy ny fitantanana eo anivon’ny Kaominina amin’ny ankapobeny. Mbola tombony ananany koa ny efa nisahanany ny andraikitra maha Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Tanànan’Antananarivo azy, izay nahafahany nampiseho ny fananany haitarika sy fahaiza-manao eo amin’ny lafiny fitantanana.
Tao anatin’ny fotoana fohy nitantanany ny Renivohitra, dia efa maro ireo asa natomboka hitondrana fanavaozana teto Antananarivo. Tafiditra tao anatin’izany ohatra ny drafitra handaminana ny fiara fitateram-bahoaka, ny taxi-moto, ny tickets an’ny tsena. Teo koa ny fandaminana teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba hiadiana amin’ny kolikoly sy ny Gaboraraka. Fanamby apetrany ny hanohizana ireo tetikasa rehetra ireo rehefa lany ben’ny tanàna indray ny tenany.
Mamaha ny olan’ny mponina
Any amin’ireo toerana rehetra andehanan’ny Kandidà Harilala Ramanantsoa dia vahaolana hatrany no entiny amin’ireo olana entin’ny mponina eo anatrehany. Izy rahateo mihaino, ary afaka mifandray amin’ny sokajin’olona rehetra, amin’ny vehivavy azy. Anisan’ny misongadina ao anatin’ny fandaharanasany ohatra ny fananganana toeram-piantsonana misy rihana, izay hatao hahazaka fiara hatrany amin’ny 307 eny Antaninarenina. Hiaraha-mahalala, hoy ny Kandidà Harilala Ramanantsoa, fa tsy ampy ny toerana fiantsonana sy fijanonan’ny fiara eto Antananarivo, isan’izany ny eo Antaninarenina. Betsaka anefa ny olona mifamezivezy eny amin’iny toerana iny, izay ivon’ny fandraharahana, ahitana Trano fandraisam-bahiny, Banky, toeram-pivarotana maro, Andrimpanjakana, sy ny sisa. “Fantatro fa mitaintaina sy miferinaina ianareo mpiantsena, mpaka vola sns rehefa hoe misy raharaha mila atao ety Antaninarenina, na amin’ny fifamezivezena, na amin’ny fandriam-pahalemana nefa tsy misy toerana ijanonana… Eo koa ny olona izay misy mamonjy fotoam-pivavahana ato amin’ny ROXY… Tsy rariny loatra hoe tsy misy toerana fiantsonana sahaza ny rehetra eto amin’ity toerana ifandraharaharana ity”, hoy Harilala Ramanantsoa. Izany indrindra no antony hananganana ity tetikasa goavana ity, izay azo antoka fa hanatsara ny fiainan’ny mponina Antananarivo, eo Antaninarenina sy ny manodidina.
Misongadina ao anatin’ny vinany ihany koa ny fitsinjovana manokana ireo vehivavy tsy an’asa, ny fanampiana ireo Reny mananon-tena, izay voatery mamelona samirery ny zanany sy ny ankohonany. “Tsapako ny fahasahiranana iainanareo”, hoy ny Kandidà Harilala Ramanantsoa. Vahaolana natolony ny fampiofanana arak’asa omena ireo vehivavy ireo. Hovatsiana fitaovana ihany koa izy ireo mba hahafahan’izy ireo miasa avy hatrany, ka hanatsara ny fari-piainan’izy ireo. “Azo antoka fa hitondra fivoarana isan-tokantrano izany”, hoy ny fanazavana.
Anatin’ny programanasany ihany koa ny hanome sehatra hahafahan’ny tanora mamorona asa sy miasa avy hatrany, amin’ny alalan’ny fanofanana arak’asa amin’ny sehatra marolafy, toy ny fianarana manjaitra, manao volo, mahandro mandrafitra, manorina trano, manao “soudure”, “éléctricien”. Ho ampiana koa ny tanora hanangana orinasa ho an’ny tenany.
Ireo rehetra ireo dia tsy misy nofinofy na rendrarendra fa vahaolana azo tanterahina sy miantraika mivantana amin’ny fiainan’ireo voakasika avokoa.
Fitondrana artista ?
Amin’izao fotoana dia voahenjika ny Kandidà Harilala Ramanantsoa amin’ny fitondrany artista maro amin’ny fotoana hihaonany tamin’ny mponina eny anivon’ny Fokontany. Fanenjehana izay mahagaga ihany satria tsy misy lalàna mandrara ny fitondrana artista mihitsy mandritra fampielezan-kevitra, ary samy manana ny paikady sy ny fomba entiny manao ny propagandy ihany koa ny mpirotsa-kofidiana rehetra. Ny azo ambara dia tsy manamaivana ny hevitra mafonja entiny mihitsy ny fisian’ny artista manaraka Harilala Ramanantsoa mandritra ny fampielezan-kevitra ataony. Tsy misy ny kobaka ambava amin’ny resaka ataony, tsy misy koa fampanantenana poakaty fa tena miresaka ny zavamisy izy ary mandroso vahaolana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer