Songadim-baovaoToekarena
HATRAMIN’NY 8 APRILY 2021 : Efa 1 taonina sy 3 kilao ireo volamena voaangona ao amin’ny Banky foibe
Paikady nosafidiantsika ho fampiakarana ny sandan’ny vola malagasy ny nametrahana ny tahirim-bolamena eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Ankehitriny, efa lehibe sy azo tsapain-tanana ny vokatra azo satria raha ny tatitry ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra, teo anoloan’ireo Depiote omaly, dia efa milanja hatrany amin’ny 1 taonina sy 3kilao ireo volamena ao an-toerana hatramin’ny aprily teo.
Fanamby nataon’ny Filoha ny hametrahana ny tahirim-bolamena eto Madagasikara. Ny 23 Janoary 2020 no natao ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) sy ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika hahafahana manatanteraka izany. Ary ny 15 Desambra 2020 no nividy volamena voalohany ny banky foiben’i Madagasikara. Ny 31 Desambra 2020, izany hoe, hatramin’ny faran’ny taona teo, nahatratra 177kilao ny volamena voaangona tao amin’ny tahirim-bolamena tao amin’ny BFM. “Ny 8 Aprily 2021, tafiakatra 1 taona sy 3 kilao ny tahirim-bolamena voaangona ao an-toerana ary mbola hitohy ny fividianana sy ny fampitomboana an’izany”, hoy ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra teo anoloan’ireo Depiote omaly.
Ankoatra izay, anisany nanaovan’ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra tatitra ihany koa ny mahakasika ny fananganana ireo fotodrafitrasa manakaiky vahoaka. Araka ny fantatra dia efa miisa dimy ankehitriny ireo “Bureaux d’administrations minières” (BAM) na birao ifoton’ny harena an-kibon’ny tany miorina, isan’izany ny any Tsiroanomandidy, Vohémar, Antsohihy, Miandrivazo, ary Mananjary. BAM miisa dimy hafa kosa no fantatra fa vao haorina m’ity taona 2021 ity, dia ny ao Nosy Be, Fénérive-Est, Ambositra, Ambovombe Androy ary Maintirano.
Tatitra ho an’ny Depiote
Tsara ho fantatra fa omaly no nanatanteraka ny tatitry ny asa vitany teo anatrehan’ireo solombavambahoaka ny Minisitry Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahan-tany ary ny Famantarana ny Toetrandro, ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa Tanana, ny Tale Jeneralin’ny Minisitera sy ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA no nisolo tena ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo ary ny Minisitra Lefitra misahana ny Tanàna Vaovao. Nankasitraka hatrany ireo Solombavambahoaka ny amin’ny asa vita, na dia teo aza izany dia niverimberina tamin’ny fanamarihana nataon’izy ireo ny tokony hametrahana fotodrafitrasa maro kokoa toy ny « gare routière ». Nangataka ihany koa ny Solombavambahoaka ny amin’ny tokony hidinana ifotony mikasika ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy ny fivoahan’ireo harena an-kibon’ny tany antsokosoko ary ny fanaraha-maso akaiky ny vola tokony hiditra amin’ny Fanjakana satria maro ny gaboraraka amin’io sehatra io. Nandroso soso-kevitra ireo Solombavambahoaka entina manatsara ny sehatra ara-barotra mba hitsinjovana ny mpamokatra sy ny mpanjifa ary hanatsarana ny fahazoan’ny rehetra misitraka ny jiro eny amin’ny distrika rehetra.



