KolontsainaPolitikaSongadim-baovao
HAVORIA: “Auditorium” sy Mozea voalohan’ny Haino aman-jerim-pirenena
Notokanana, ary hisokatra ho azon’ny besinimaro tsidihina manomboka ny alatsinainy izao ny Mozean’ny Haino aman-jerim-pirenena, nampitondraina ny anarana hoe “Havoria”, izay naorina etsy amin’ny tokotany malalaky ny ORTM Anosy. Nametrahana “Auditorium” iray lehibe ahafahana manao fampisehoana ihany koa ao an-toerana, mba hahatonga ny Haino aman-jerim-pirenena tsy ho mena-mitaha amin’ireo haino aman-jery tsy miankina isan-karazany.
Ny 26 Janoary 2009, may sy potika ny tranon’ny Radio Nasionaly Malagasy tetsy Anosy. Taona maromaro taorian’izay, tsy nisy nanana vina ny hanarina na hanajary io toerana io ireo fitondram-panjakana nifandimby. Ny Fitondrana ankehitriny kosa, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no nanana vina ny hametraka Mozea ho an’ny Haino aman-jerim-pirenena, izay voalohany teo amin’ny tantara. Ny 27 Oktobra 2021, araka izany, no tafapetraka ny vatofototry ny asa. Roa taona aty aoriana, vita ny asa ary notokanana omaly 08 septambra 2023.
Raha tsiahivina, ny taona 1961 no nametraka ny vatofototr’ilay nantsoina hoe “Radiodiffusion nationale” ny Filoha Tsiranana teo amin’io toerana io, ny taona 1963 no nitokana azy izy. Ny taona 2021 no nametraka ny vatofototry ny Havoria Andriamatoa Filoha Rajoelina, ary amin’izao taona 2023 izao indray koa no tokanana. “1961 – 2021, 1963 – 2023 : 60 katroka aty aoriana araka izany no natsangana indray izao toerana izao. Ny azoko ambara dia ny hoe “Isika izao no mpitady ny very, mpanarina ny rava no sady mpanangana ny lavenona, mba ho an’ny tanin-janaka”, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy tao anatin’ny lahateniny.
Tsiahin’ny tantara
Mirakitra tsiahy sy tantara maro ny Mozean’ny Haino aman-jerim-pirenena. Isan’ny haranty ao an-toerana ny sarin’ireo olona efa niasa tao amin’ny onjampeom-pirenena sy ny fahitalavi-pirenena, na ireo efa nindaosin’ny fahafatesana na ireo efa nisotro ronono. Ao koa ireo fanehoana an-tsary izay maneho ny tantara nolalovan’ny haino aman-jerim-pirenena. Ahitana ireo fitaovana nampiasaina fahiny koa ny fampirantiana. Misy koa ny efitrano misy fahitalavitra lehibe natao andefasana ireo fandaharana tranainy tao amin’ny fahitalavi-pirenena. Misy koa ireo “tablette” misy ireo hira taloha tao amin’ny onjampeom-pirenena.
Auditorium mahazaka mpijery 700
Pejy vaovao no diavin’ny Ofisin’ny Radio sy Televiziona Malagasy (ORTM) manomboka izao. Tsy mindrana efitrano intsony fa afaka mamokatra fandaharana manokana, ary tsy mena-mitaha amin’ny haino aman-jery tsy miankina ny Televiziona Malagasy, noho ny fahazoana ny »Auditorium » Havoria. Mahazaka mpijery hatramin’ny 700 io efitrano iray lehibe ao amin’ny Havoria io, ary misy ny fitaovana sy sehatra ahafahana mamokatra fandaharana sy fampisehoana. “Mamerina ny maha izy ny malagasy, mamoha ny fitiavana kolontsaina, ary mampifandray ny Kolontsaina sy ny Serasera izao zava-bita izao”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy omaly.
Tsy nanadino ny nisaotra ny finiavana politika nananan’ny Filoha Andry Rajoelina ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy tao anatin’ny lahateniny, noho ny fahavitan’izao fotodrafitrasa izao. Betsaka, hoy izy, no nampanantena fa vitsy no tena manam-piniavana marina anarina.




