PolitikaSongadim-baovao
HAZAKAZAKA HO ENY TSIMBAZAZA : Raikitra ny fampielezan-kevitra, hahazo ny maro an’isa no tarigetra ho an’ny IRMAR
Nanomboka androany tamin’ny 6ora maraina ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka eto Madagasikara. Nampahatsiahy ireo voalazan’ny Lalàna sy ny fitsipika mifehy izany ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) omaly.
Araka ny tetiandro voafaritry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) dia amin’ity anio ity no manomboka ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Solombavambahoaka manerana an’i Madagasikara. Amin’ny 27 Mey amin’ny 12ora alina kosa no hikatona izany. Ary fahanginana mialohan’ny fifidianana ny 28 mey, raha toa ka ny 29 mey no androm-pifidianana.
Samy manana ny endrika hanombohany azy ireo Kandidà manerana ny Distrika rehetra. Ao ireo avy hatrany dia hiroso amin’ny famoriam-bahoaka amin’ny toerana malalaka hampahafantatra ireo vinan’asa. Misy koa ireo efa manomana diabe hotanterahina, toy izay hiseho eto Antananarivo I. Ho an’ny Vovonana “Isika Rehetra miaraka amin’ny Andry Rajoelina – IRMAR” dia ao anatin’ny tanjany sy ny heriny avokoa ireo Kandidà manerana ny Nosy, ary mazava ny tarigetra dia ny hahazoana ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.
Voafehin’ny lalàna.
Omaly, nampahatsiahy ny teo anivon’ny CENI fa misy ny Lalàna 2018-008 mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevibahoaka eto amintsika. Voafaritra ao anatin’izany fa amin’ny fampielezan-kevitra dia voarara ny fampiasana fitaovam-panjakana sy biraom-panjakana. Voarara koa ny mitokana zava-bita mandritra ny fampielezan-kevitra. Ireo mpiasam-panjakana ambony dia tsy mahazo manao fampielezan-kevitra. Afaka manao fampielezan-kevitra kosa ireo mpiasam-panjakana tsotra, raha manao fangatahana tsy hiasa (Congé). Na izany aza, tokony hanaja ny tsy fiandaniany ireo mpiasam-panjakana.
Mandritra ny fampielezan-kevitra dia malalaka ny fanehoan-kevitra saingy tsy azo atao ny mifaniratsira, ary tsy maintsy hajaina ny soatoavina malagasy sy ny fihavanana. Voararan’ny lalàna koa ny maniratsira ireo rafitra mpikarakara fifidianana, dia Ceni sy Hcc. Eny anivon’ny Ceni na ny Distrika no hangatana fahazoan-dalana hampiasa toerana hanaovana fampielezan-kevitra. Marihina fa afaka manao fampielezan-kevitra ireo kandidà depiote rehetra anaty listra ofisialy nivoaka, eny fa na ireo mbola am-perinasa ankehitriny aza.
Tsiahivina fa mandritra izao fampielezan-kevitra izao dia manana ampaham-potoana avy eo anivon’ny Haino aman-jerim-panjakana ireo kandidà, ka ny avy eo anivon’ny Ceni ihany no mandamina sy mandrindra an’izay. Mbola tsy tafatsangana rahateo koa ilay rafitra mpandrindra ny serasera amin’ny Haino vaky jery (ANRCM).




