PolitikaSongadim-baovao
HEKRIFAMA: Miantso ny hiainana indray ny Soatoavina maha malagasy
Notanterahina ny sabotsy teo ny Antsam-panahy sy famelaberan-kevitra izay nampitondraina ny lohateny hoe « Kristiana mpanavao, fototra fampandrosoana firenena, mandroso sy masina », tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely. Ny fikambanana « Hetsika Kristiana ho Fampandrosoana an’i Madagasikara na Hekrifama » no tompon-kevitra tamin’izany. Nilaza i Sata Andriamparany, Filoha nasionalin’ny Hekrifama eto Madagasikara, fa antony nanatanterahana izao hetsika izao dia ny hamohazana indray ilay soatoavina maha malagasy izay indraindray lasa tsy iainana intsony fa very. « Entanina sy fohazina ny fahatongavan-tsainan’ny tsirairay mba hiaina izay soatoavina maha malagasy izay, indrindra ny soatoavina maha kristiana izay manandratra ihany koa izany soatoavina maha malagasy izany », hoy ny fanazavana. Izany foto-kevitra izany no ezahin’ny Hekrifama voizina amin’ny fiarahamonina sy amin’ireo ambaratongan-drafitra rehetra misy eto amin’ny firenena. Tanjona ny fampandraisana anjara ny olon-drehetra amin’ny fampandrosoana ny firenena. « Mila kristiana manompo, miasa ho an’ny hafa fa tsy tompoina. Mila ialana ny faharatsiana rehetra, fa mijoro amin’ny fahamarinana », hoy hatrany izy. Nomarihin’i Sata Andriamparany fa tena miroborobo ny fivavahana kristiana eto Madagasikara ka tokony hisy fiantraikany tsara amin’ny fampandrosoana ny firenena izany.




