SamihafaSosialy

HELOKA HATAO AMIN’NY HABAKA: Eo ambany fanarahamason’ny Fitsarana i Rolf

Raharaha fanelezana tsaho momba ny resaka fanampiana mitentina iray tapitrisa ariary ho an’ireo mpanakanto, fanalam-baraka imasom-bahoaka, fanohitohinana ny fiandrianam-panjakana sy fanompana tamin’ny “publication” izay natao tao amin’ny Facebook. Ireo no vesatra lehibe hanenjehana an’i Rolf. Efa niakatra fampanoavana, afak’omaly, tetsy amin’ny Fitsarana Anosy ity raharaha ity. Tsy izy ihany no niatrika ny fampanoavana tamin’izany fa niaraka tamin’ny olona telo izay voalaza fa nizara ilay “publication” nataony. Taorian’ny fampanoavana, fantatra fa mipetraka eo ambany fanarahamason’ny Fitsarana i Razafindrakoto Rolf, sy ireo olona mpanao facebook telo hafa niaraka taminy. Izany didy izany, izay mihatra mandrapahavitan’ny fanadihadiana lalina hatao. Tsara tsiahivina, fa mahakasika ny sazy, manodidina ny heloka hatao amin’ny habaka, dia mitovy avokoa, na ho an’ny olona manao ilay “Publication”, na ho an’ireo mizara izany. Rolf Razafindrakoto, fantatry ny mpankafy kanto amin’ny hoe Rolf, ity voasaringotra amin’ny raharaham-pitsarana ity. Izy izay sady mpihira no mpitendry ary mpamorona. Andrasana, araka izany, izay ho tohin’ny raharaha. Antenaina kosa fa ho anatra ho an’ny rehetra mpampiasa ny tambazotran-tserasera izao tranga izao, satria mitovy avokoa ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna.

Tags
Fermer