Non classé
“Heloka hibaboana mody rariny”
Ny tena tompon’andraikitra dia mahatsapa ny andraikitra sahaniny, mahatsapa ny mety sy ny tsy mety, fa indrindra mahatsapa ny andraikitra hiantsorohana. Mahafantatra ny atao, ny natao, ary izay mbola hatao. Hita soritra izany tamin’ity fitondram-panjakana ity, izay mampihatra hatrany ny maha tan-dalàna ny firenena. Na tompon’andraikitra iza na manana andraikitra toy ny ahoana, samy tompon’andraikitra amin’ny nataony avokoa, satria tsy kilalao, tsy mora ny mitondra vahoaka. Tsy misy ny ambony lalàna fa izay manao ny tsy mety dia ny fahatsapan-tena ihany aloha no zava-dehibe voalohany, manaraka ho azy ao ny fandraisana fepetra aminy, amin’ny alalan’ny fampiharana lalàna, raha ilaina izany. Izay fahatsapan-tena izay no maha tompon’andraikitra ! Raisina ohatra ny vaovao mikasika ny Tale jeneralina minisitera iray, izay fantatra fa nanao lozam-piarakodia ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsy izany ihany fa rehefa nozohina dia fantatra fa nandrenesana alikaola ity farany, izay voararan’ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana aloha, raha tsy hilaza afa-tsy hatreo. Nahatsapa tena ity tompon’andraikitra ambony iray ity, ary dia nandray fepetra tamin’ny tenany avy hatrany, tsy hisahana intsony io andraikitra nanendrena azy io. Mazava ho azy fa tan-dalàna tanteraka ny fitantanana ny firenena, ka na tompon’andraikitra notendrena hisahana izany andraikitra ambony izany aza, nahatsapa ny maha zava-dehibe io andraikitra nosahaniny io, ka ny fametraham-pialana no vahaolana voalohany noraisiny, fa tsy nanao mpitari-bato vilam-bava sanatria, ka hanoso-potaka izao fitondrana izao…
Raha ny mifanohitra tamin’izay fepetra noraisiny izay, mety ho inona no nitranga? Ny zava-misy tamin’ny fitondram-panjakana teo aloha tsy lazaina intsony, rakotr’olona tsy tan-dalàna teo amin’ny sezan’ireo tompon’andraikitra isan’isany. Tsy nisy fahatsapan-tena toy izany, fa tonga amin’ilay oha-pitenenana hoe: “gisa lahy homan-ketsa…!”. Ny fanamparam-pahefana etsy sy eroa nataon’izy ireny nihoatra ny fefy, ka nanjakan’ny tsimatimanota sy ireo mpanapa-pahefana ny tanàna. Mbola nisy sisa navelan’iny fitondrana iny teto, irony antsoina hoe “tsy maty voalavo an-kibo” sy “zatra ny lalan-dririnina” tamin’ny voalohandohan’ity fitondram-panjakana mijoro sy mandala ny maha firenena tan-dalàna antsika ity. Mazava ho azy fa hita miavaka eny hatrany ny vary sy ny tsiparifary. Anisan’izany ireo avarapatana tamin’ny mpitondra teo aloha, rangory fototry ny afo tamin’ny fanaovana amboletra sy tantely afa-drakotra ny volam-panjakana teto. Izay nafafy tokoa no jinjaina…
“Ny heloka hibaboana mody rariny!” Fihetsika azo lazaina fa am-panetren-tena tokoa ny nataon’ny Tale jeneraly nanao fametraham-pialana voalaza iny. Na ho inona tokoa voalaza fa fandikan-dalàna vitany tamin’izao fanapahan-kevitra norisiny izao, ny zava-dehibe dia ny fahatsapan-tena nasehony. Misy ireo mpitsikera izao fitondrana izao, manao toy ireo mpitanin’andro vao maraina tsy manan-katao, mijery izay mpandalo mety ho lavo an-dalana ka avy hatrany dia manakora sy mitsikera be fahatany,… ny aza manody! Izy ireny no toy ny zaza misintona siligaoma efa matsatso am-bava, tsy mahatsapa intsony ny fivaonan’ny ataony, ka na lalimanga aza mipetaka eo, lany ihany izany… Amafisin’ny teny Soratra masina izany, fa “izay tsy nanota taminareo…” Ny azo tsoahina avy amin’izany, nanam-pahendrena iny tompon’andraikitra iray iny, ka na ny minisitra aza tsy nisalasala nankatoa avy hatrany izay fametraham-pialany izay. “ny heloka hibaboana tokoa mody rariny”. Vitsy tamin’ireo tompon’andraikitra hita sy tratra ambodiomby teo am-pandikana lalàna toy ireny no nanao toy izao. Tsy amin’ny endrika tsy fanarahan-dalàna toy izao ihany, anefa, fa amin’ny lafiny hafa koa, rehefa hita fa tsy hahazaka andraikitra sy tsy hahatanteraka adidy nomena, soa fianatra ny tahaka izany…

