Songadim-baovaoSosialy

HERINANDRON’NY MPANAZAVA : Nanamafisan’ireo skoto zazavavy ny haitarika sy ny fahatokisan-tena

« Rohim-pahazavana Mipariaka 2021 », io no lohahevitra nentina nanamarihana herinandron’ny mpanazava teto amintsika. Araka ny fanazavana, nosafidiana manokana io lohahevitra io « satria mahatsapa ho manana adidy sy andraikitra izahay hifampizara sy hanapariaka hazavana eo amin’ny samy mpikambana, amin’ny namana, ny ankohonana sy ny fiarahamonina ny mpikambana, indrindra ao anatin’izao vanim-potoana somary manjombona izao », hoy ny fampitam-baovao.

Ny fanamarihana ny herinandro dia nanomboka ny Alatsinain’ny Pentekosta 24 May teo, ka  hatramin’ny Alahady 30 May 2021 omaly. Ho an’ny Faritra misokatra rehetra dia nisy ny tari-dàlana narahina, tamin’ny hetsika notontosaina tao anatin’ny herinandro. Ho an’ny Faritra mbola mikatona kosa dia ny tambazotran-tserasera sosialy niainga avy ao amin’ny Pejy Fesiboky Mpanavaza Eto Madagasikara no nampitana sy nanatanterahana izany.

Mitohy hatrany ny fanabeazana sy famolavolana ny ankizivavy sy ny zatovovavy ho tonga olom-pirenena vanona sy vonona ary ho vavolombelon’i Jesoa Kristy izay tanterahan’ny fikambanana Mpanazava Eto Madagasikara na eo aza ny fikorontanana nateraky ny krizy ara-pahasalamana ka voatery nampiatoana ny hetsika mivantana rehetra », hoy ny fampitam-baovao.

Hetsika maro no natao

Nanazava ny seraseran’ny mpanazava eto Madagasikara fa isan’ny tanjona tao anatin’ny hetsika ny hanetsehana indray ny mpikambana tsirairay, hanamafy ny haitarika sy fahatokisan-tena ary faharisihina hihetsika hanangana tontolo tsaratsara kokoa, mandalina sy mampandroso ary manitatra ny eo an-tanana, ary mifandrohy sy manapariaka mankany amin’ny manodidina. Tsara ho fantatra fa tafiditra tao anatin’ny fanamarihana isan’andro rahateo, nandritra ny herinandro, ny fanamafisana ny ara-panahy amin’ny maha fikambanana miankina amin’ny fiangonana protestanta ny Mpanazava Eto Madagasikara. Teo koa ny trandraka talenta, ny fanamby sy lalao isan’ny mampiavaka ny fikambanana skoto, ny fanomezana ireo tsara ho fantatra, fanentanana, ny fitondrana feo sy fiofanana mibanjina lohahevitra toy ny lalan-tsaina amin’ny haitariky ny AMGE, ny fandaharanasa hetsika ho an’ny fahatokisan-tena na Free Being Me sy ABC, ny fikirakirana ny teknolojia na Surf Smart 2.0, ny ady amin’ny valanaretina Covid19, ny Fitantanana ny Fahadiovana mandritra ny fadimbolana na MHM, ny fandaharanasa fanodinana plastika ho fitsinjovana ny tontolo iainana na Plastic Tide Turner, sns. Niafara tamin’ny takarivam-pankalazana ny Alahady 30 May omaly ny fanamarihana ny herinandro.

Fermer