SamihafaSongadim-baovaoSosialy
HERISETRA ARA-NOFO: Manamafy ny fanentanana ny Fikambanana Fitia
Hihamafy ny sazy ho an’ireo olona tratra manao herisetra ara-nofo na fanolanana, araka ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra omaly. Etsy ankilany anefa, hamafisina koa ny fanentanana atao eny anivon’ny fiarahamonina hisorohana ny trangana herisetra ara-nofo. Isany mandray anjara feno amin’izany ny Fikambanana Fitia, izay nirotsaka an-tsehatra teny anivon’ny Epp teto andrenivohitra omaly, notarihin’ny vadin’ny Filoham-pirenena Mialy Rajoelina.
Manoloana ny trangana herisetra niverimberina tato ato, nidina ifotony teny anivon’ireo sekolim-panjakana eto andrenivohitra ny Fikambanana Fitia, notarihin’ny Filohany, sady vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina. Fanamafisana ny fanentanana no tanjona, indrindra ho an’ireo ankizy madinika izay iharan’izany matetika tato anatin’ny andro maromaro. Teny amin’ny Epp 67ha Avaratra sy teny amin’ny Epp Anosibe no nanatanterahana ny hetsika ho an’ny omaly.
Liana ireo mpianatra, liana hahafantatra ny hahafantatra ny zony. Nampahafantaran’ny Fikambanana Fitia rahateo ireo tokony hatao rehetra hisorohana ny trangana herisetra ara-nofo. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy tokony hitoeran’ny zaza irery amin’ny toerana mangingina, indrindra rehefa lavitra ny ray aman-dreny. Eo koa ny tsy tokony hiresadresahana amin’ny olona tsy fantatra, na iza na iza. Ankoatra izay, nampahafantarina ireo ankizy fa tsy tokony ho kitikitihana ny faritry ny taovam-pananahana, ary tsy tokony havela ho kitihan’ny olon-kafa ihany koa, na dia havana akaiky aza izany. Nambara tamin’ireo kilonga ihany koa ny toerana sy ny olona azo atonina raha sendra misy mitady anao herisetra ara-nofo amin’izy ireo. Isan’izany ny lehiben’ny fokontany, ny mpitandro filaminana, ny Fikambanana Fitia etsy Mahamasina. Azo atao ihany koa ny miantso ny laharana 813, maimaim-poana ary tsy ilàna fahana. Nentanina koa ireo ankizy mba hizara ny fanentanana amin’ireo ankizy hafa naman’izy ireo avy.
Mitondra takaitra mandrakizay
“Aoka izay ny fanolanana zaza tsy manantsiny”. Io no nanombohan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika ny lahateniny omaly raha nandray fitenenana ny tenany. Izy izay nanamafy fa efa tsy mifidy intsony ireo mpanao herisetra ankehitriny, na amin’ny ankizilahy na amin’ny ankizivavy. Na ireo zaza tsy ampy taona aza dia iharan’izany avokoa. “Mitondra takaitra mandrakizay izy ireny, takaitra ara-batana, ara-nofo, ara-tsaina, misy mihitsy aza mamoy ny ainy”, hoy Mialy Rajoelina. Manan-jo ho arovana anefa ny ankizy. Fotoana izay niantsoany fitandremana ho an’ireo ankizy tsirairay, sy fanarahana amin’ny antsakany sy andavany ireo toromarika nomena rehetra ho fisorohana ny herisetra ara-nofo. Ankoatra izay, amin’ny maha sekoly ireo notsidihana dia nilaza ny vadin’ny Filoham-pirenena fa manana adidy amin’ny fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra ara-nofo koa ireo mpanabe any an-tsekoly. Nisy rahateo koa peta-drindrina na “affiche” napetraka isaky ny lakilasy hahafahan’ireo ankizy mitadidy ireo tokony hatao rehetra manodidina ny herisetra ara-nofo.




