PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
HERISETRA ARA-NOFO: Tsy hahazo fanalefahan-tsazy ireo voaheloka amin’izany
Anisany ny lahadinika manokana tao amin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly ny mahakasika ny trangana fanolanana sy herisetra ara-nofo hita niverimberina tato ato. Hentitra ny Filohan’ny Repoblika nanome toromarika ny tokony hampiharana ny sazy enjana ho an’ireo izay manao izany. Ary koa, tsy hisitraka fanalefahan-tsazy ireo rehetra izay voaheloka tamin’ny fanaovana herisetra ara-nofo.
Nandritra ny herinandro mahery izay no nandrenesana trangana herisetra ara-nofo sy fanolanana hatrany teny anivon’ny fiarahamonina sy ny haino vaky jery. Efa betsaka ireo sehatra sy fikambanana nanao antso avo amin’ny tokony hitsarahan’izany. Teo koa ny vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina, tamin’ny alalan’ny Association Fitia, izay efa nanameloka sy nanentana ny rehetra mba ho sahy hilaza ny trangana fanolanana mety misy eny anivon’ny fiarahamonina. Omaly, mbola nodinihina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa ny mahakasika ity tranga ity. Fantatra tamin’izany fa tsy maintsy hamafisina ny sazy ho an’ireo rehetra izay manao izany asa ratsy sy mamoafady izany. Ary koa, tsy hahazo fanalefahan-tsazy izay voaheloka amin’izany. Araka ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra omaly io ihany, hisy ny rafitra manokana manomboka izao hanenjehana ireo rehetra manao herisetra mifototra amin’ny maha lehilahy na ny maha vehivavy, ary ny herisetra atao amin’ny zaza. “Baiko no nomena ireo fampanoavana manerana ny Nosy fa avy hatrany dia famonjana aloha no hampiharina amin’ireo rehetra manao herisetra amin’ireo zaza madinika”, hoy ny tatitra.
Asa an-terivozona
Tetsy ankilany, manoloana ny trangana fanolanana sy herisetra ara-nofo izay niha nahazo vahana tato anatin’ny andro maromaro izay, niantso fandraisana andraikitra hentitra amin’ireo minisitera tena voakasika mivantana amin’izany ny Filoham-pirenena, tafiditra ao anatin’izany ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, eo koa ny minisiteran’ny Fitsarana, ary ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Ankoatra izay, nanamafy tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta ny Filoha, omaly, fa “ireo rehetra manao herisetra sy fanararaotana ara-nofo, indrindra amin’ireo zaza dia tsy maintsy iharan’ny sazy mafy indrindra, isan’izany ny asa an-terivozona, araka izay voasoratra ao anaty lalàna”, hoy hatrany tatitry ny filankevitry ny Minisitra. Tamin’ny ankapobeny, nohamafisina ny fepetra sy ny fampiharana ny lalàna mahakasika ireo olona voaheloka amin’ny trangana fanolanana eto amintsika.



