Fanadihadiana Manokana
HERISETRA SY FANOLANANA: Sakana tsy hahasahiana mitory ny henatra sy latsan’ny fiarahamonina
Trangana herisetra maro no hita eny anivon’ny fiarahamonina ka mahazo vahana amin’izany ny herisetra ara-batana sy ny herisetra ara-pananahana. Na eo aza ireo fanentana sy fampianarana samihafa dia mbola misy hatrany ireo fianakaviana na olona iharan’ny herisetra tsy sahy mitoroka na manao fitarainana. Anisan’ireo sakana tsy hanatanterahan’izy ireo izany ny henatra sy ny latsan’ny fiarahamonina.
Mbola maro ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy eto Madagasikara, hoy ny nambaran’ny fikambanana iray mpitolona amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny vehivavy eto amintsika. Mateti-pitranga amin’ireo herisetra mianjady amin’ny vehivavy ireo ny herisetra ara-batanana sy ny herisetra ara-pananahana. Fikambanana iray mahita ifotony ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina eto an-drenivohitra, indrindra eny amin’ireo faritra marefo, ny “Tanora Masoivohon’ny Filaminana”. Fikambanana hivondronana tanora an-jatony misehatra amina fokontany miisa 13 eto Antananarivo io ka mampiroborobo ny lafiny fitoniana sy ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny. Mahakasika ny herisetra ara-batana mahazo ny vehivavy, araka izany, tatitra noentin’Atoa Balsam Randrianarison izay tompon’andraikitry ny serasera avy amin’ny fikambanana ny hoe tranga hitan’izy ireo matetika ny ady eo amin’ny mpivady. Fitaraina miisa 6 tao anatin’ny iray volana no voarain’izy ireo mahakasika izany. Antony mahatonga ny herisetra avy amin’ny adin’ny mpivady, hoy hatrany ny fikambanana, ny tsy fitovian’ny karama eo amin’ny mpivady, ny tsy fitovian’ny hery eo amin’ny lahy sy ny vavy, ary ny fiadiana zo ho ambony. Mahakasika ny herisetra ara-pananahana indray, hita ho mirongatra ny trangana fanolanana ankizy any amina fokontany maro eto an-drenivohitra. Fitarainana miisa 30 tao anatin’ny 3 volana no voarain’ny fikambanana. Lasibatra amin’izany ny ankizy eo anelanelan’ny 4 hatramin’ny 11 taona. Antony mahatonga ny fanolanana indray ny tsy fahampiana asa ho an’ny tanora sy fandraisana zavamahadomelona izay mandrisika azy ireo hanaonao foana.
Vitsy ireo mametraka fitoriana
Sehatra iray voakasika ao anatin’ny fandraisana an-tanana ny trangana herisetra mianjady amin’ny vehivavy ny “Brigade Féminine de Proximité” (BFP). Ho an’ny sampana eny Tsaralalàna manokana, mahatsapa ny fisiana tranga maro izy ireo saingy mbola vitsy ny fitoriana voaray. Ho an’ny trangana fanolanana manokana dia latsaky ny 5 ireo fitoriana tonga tao amin’izy ireo nandritra iny 3 volana voalohany tamin’ity taona 2025 ity, hoy ny tatitra avy amin’ny Commandant Ralaiharison Vonintsoa avy ao amin’ny BFP Antananarivo. Fanolanana hita tamin’ireo ankizy latsaky ny 18 taona ireo. Ankoatra izay dia tranga matetika hanaovan’ny olona fitarainana eny amin’izy ireo ihany koa ny herisetra ara-batana miaro herisetra ara-tsaina ka tranga miisa 7 no voarakitra, nandritra izay 3 volana voalohany izay hatrany. Izany hoe fitarainana avy amina vehivavy noho ny tsy fanomezan’ny vadiny vola na ny tsy famelana azy hisehatra amin’ny asa ka lasa miteraka herisetra ara-tsaina izany.
Mitaha amin’ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, araka izany, dia azo lazaina fa mbola vitsy ireo olona hiaran’ny herisetra sahy mitoroka sy mitory any amin’ny mpitandro filaminana. Nivoitra tao anatin’ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ireo mpikaroka fa maro ny sakana mahatonga ny olona tsy hiroso amin’izay fitoriana izay. Misongadina amin’izany ny henatry ny lasibatra sy ny fianakaviana, ny tahotry ny latsan’ny fiarahamonina, ny tahotra amin’ny mety fisiana valifaty. Mahatonga ny lasibatra tsy hahasahy hitoroka ihany koa ny fahasarotan’ireo dingana rehetra tsy maintsy arahana amin’izany, sy ireo maro hafa. Raha ny nambaran’ny fikambanana “Tanora Masoivohon’ny Filaminana”, ireo Ray aman-dReny mihitsyindrindra no tsy maharisika manao ny fitoriana raha toa ka iharan’ny herisetra ny zanany.
Famokarana torolalana…
Manoloana ireo rehetra ireo, tsy azo atao fotsiny ny mijery ny zava-misy fa tsy maintsy manome tolotra sy vahaolana ary angom-baovao ho an’ny vehivavy rehetra, hoy Mbolatiana Raveloarimisa avy amin’ny vovonana Nifin’Akanga. Ity farany izay vovonana mitolona hatrany amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny vehivavy sy ny fahamarinana eto Madagasikara. Anisan’ny tetikasa ampiharin’izy ireo ny “Farimbona”. Hamafisina ao anatin’izany ny fanentanana, fampianarana sy fanentsehana ny mpisehatra rehetra mba hananantsika fiarahamonina tsy mitanila ary manaja ireo zo fototra. Araka izany, “ny zava-dehibe dia tsy mitsabo fotsiny ihany aorian’ny tranga, fa hatrany am-boalohany dia efa raisina ny fepetra mba tsy hahatongavana amin’ireo herisetra ireo”, hoy hatrany ny fanazavana. Noho izany indrindra no antony namolavolana torolalana, novokarin’ny Nifin’Akanga niaraka tamin’ny BFP, mba ho fanampiana ireo vehivavy na lehilahy mety hiaran’ny herisetra ka hahafantatra ny zony sy ny fanapahan-kevitra tokony horaisiny raha misy tranga mihatra aminy. Nampahafantarina omaly teny Antaninarenina ny momba ireo torolalana ireo ka voalohany amin’izany ny mirakitra vokam-panadihadiana nataona mpikaro sy mpanao gazety mpanatsikafona. Torolalana faharoa kosa ny mirakitra torohevitra ho an’ireo mpitolona ho an’ny zon’olombelona. Ahitana laharana mpisolovava maro ao anatiny, entina hanampiana ny fikambanana any amin’ny faritra iasan’ny tetikasan’izy ireo. Fehiny, torolalana azo ampiasain’ireo olona niharan’ny herisetra rehetra ireo navoaka ireo. Hahafantarana ireo dingana ara-pitsarana tokony aleha, fitadiavana ny hahafahana misitraka tantsoroka ara-psikolojia, sy ny tokony hatao raha hametraka fitoriana. Ao amin’ireo torolalana ireo ihany koa no ahitana ny mombamomba ireo fikambanana sy mpitandro filaminana afaka manome tantsoroka.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




