PolitikaSongadim-baovao
HERY RASOAMAROMAKA : « Mahazaka demokrasia ny Fitondrana ankehitriny… »
Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny raharaham-pirenena ankehitriny ny Governoran’Analamanga, Hery Rasoamaromaka, ny faran’ny herinandro teo. Manoloana ireo fanehoan-kevitra sy fanakianana maro samihafa ataon’ny avy amin’ny fanoherana dia tsy niolakolaka ity tomponandraikitra ity nilaza fa mahazaka demokrasia ny Fitondrana ankehitriny. Na izany aza, hoy izy, anjaran’ny Fitondrana koa no miaro ny Fanjakana tsy ho voakorontana ao anatin’ny fanatanterahana ny asany. Nentaniny, araka izany, ny tomponandraikitra isan-tsokajiny mba tsy hiandry fidinana andalambe vao hitady vahaolana amin’ireo karazana olana tena maharary ny Vahoaka. Fotoana izay nanentanany ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany mba ho sahy handray fanapahankevitra hanolo ny olona eo ambany fifehezany raha toa ka tsy mahavita ny asany. Nanentana ny rehetra ihany koa ny tenany hijoro sy hilaza ny marina manoloana ny lainga mifafy etsy sy eroa.
“contrat-programme”
Miara-miasa amin’ireo teknisiana rehetra mitovy fomba fijery aminy fa tsy mametraka ny loko politika ho sakana, ny Filoha Andry Rajoelina hoy izy. Laharam-pahamehana ho an’ny Fitondrana ankehitriny rahateo ny lafiny fanorenana fotodrafitrasa, antony maha zava-dehibe ny fiarahamiasa amina teknisianina. Ity tomponandraikitra ity izay tsy miombon-kevitra amin’ny filazana fa tokony ho esorina amin’ny toerany ny Minisitra tsy mahafehy ny asany. Mety ny mpiara-miasa aminy no tsy mahavita ny asany, hoy izy, fa tsy izy amin’ny maha minisitra azy.
Nambaran’ny Governoran’Analamanga fa tokony hipetraka foana ny “contrat programme” ahazoan’ny any ifotony misitraka ny tena fampandrosoana marina. Marihana fa ato ho ato dia hisy ny Filankevitry ny Governora handinihana ireo asa rehetra tokony hapetraka isaky ny Faritra, hanaovana jery todika koa ireo asa vita. Tamin’ny ankapobeny, samy nanao izay ho afany ny Governora tsirairay na dia nisy aza ny valanaretina Covid-19. Araka izany, nilaza ny Governoran’Analamanga fa misy hotanisaina tsara amin’ny vahoaka ny zava-bita rehetra amin’ny andron’ny fifidianana manaraka.



