PolitikaSongadim-baovao

HETSIKA AMBOLETRA EO AMBOHIJATOVO: Mitady fifandonana mafy ireo Depiote Tim

Hevitra entina hiantsoana vahoaka hidina an-dalambe fotsiny ihany ny filazan’ireo Depiote Tim fa hanao tatitra amin’ny vahoaka amin’ny Sabotsy izao. Efa mazava fa fanakorontanana sy ny fikatsahana fifandonana no tena tanjona. Na ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, na ny Ben’ny tanàna, na ireo mpitandro filaminana dia samy tsy misy manome rariny io hetsika amboletra kasaina atao etsy Ambohijatovo io avokoa.

Efa ho 17 andro izao no nanomboka ny asa fanajariana ny toerana etsy Ambohijatovo, izay hatao “Parc botanique”, araka izay efa nampanantenain’ny Ben’ny tanàna, Naina Andriantsitohaina. Nohamafisin’ity tomponandraikitra voalohan’ny tanànan’Antananarivo ity, araka izany, fa tsy afaka handray hetsika intsony ity toerana ity, noho ny fisian’io tetikasa lehibe io. Ny zava-misy anefa dia mbola mikiribiby hanatanteraka ilay hetsika eny Ambohijatovo hatrany ry Me Hanitra sy ry Fidèle Razara Piera. Mbola mitohy ny fiantsoana olona sy ny fandranitana isanandro atao amin’ny fandaharan’izy ireo. Voaporofo tanteraka fa tetika fanakorontanana no tanjona.

Efa naneho hevitra mahakasika ity hetsika kasaina hatao amboletra etsy Ambohijatovo ity ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, izay nilaza fa tsy voatery atao ankalamanjana ny tatitra ataon’ny Solombavambahoaka. Azo atao, hoy izy, ny mampivory ny fokonolona eny anivon’ny Fokontany sy eny ifotony rehetra eny raha misy zavatra tokony hampitaina amin’ny vahoaka. Tsy misy lalàna rahateo milaza fa tsy maintsy eo Ambohijatovo no hanaovana ny tatitry ny Depiote lany teto Antananarivo Renivohitra. Samy manana ny boriborintany nahalany azy tsirairay avy izy ireo. Dikany, tokony ho any amin’ny fokontany isaky ny boriborintany nahalany azy ireo tsirairay avy ireto Depiote Tim ireto no manao tatitra am-pilaminana izay resaka ho resahany.

Tsy fotoana fanaovana tatitra intsony izao

Ny tsara ho marihina koa anefa dia tsy vanim-potoana tahaka izao mihitsy no fanaovana tatitra ho an’ny Solombavambahoaka. Araka ny fanazavan’ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena, Rasolonjatovo Honoré, be loatra ny zavatra efa voalazan’ireo Depiote mpanohitra ireo tany amin’ny fitsangantsanganana nataony, sy tao amin’ny onjampeony. Nambarany fa efa nihoatra ny tatitra tokony ho natao aza izany satria tsikera mamaivay ny Fanjakana rano fotsiny no natao. Herinandro aorian’ny fotoam-pivoriana ara-potoana no fotoana tokony hanaovana tatitra amin’ny vahoaka, hoy ity Solombavambahoaka ity. Ary izany dia tsy tokony hihoatra ny andro iray. Efa tara loatra raha izay vao hanao tatitra, hoy ny fanazavany. Zavatra hafa mihitsy , hoy izy, no kendrena amin’io fotoana io, ka tokony ho mailo isika rehetra.

Manao bontolo!

Araka ny hita sy re amin’ny fandaharana ataon’ireto Depiote ireto isanandro dia toa ry Me Hanitra indray ankehitriny no mampitandrina amin’ny hoe “tandremo sao mihevitra ny hamindra toerana anay fa tsy maintsy eo Ambohijatovo izahay”. Mahalasa saina ihany hoe fa iza moa i Me Hanitra no tsy hanaiky ny fandaminana apetraky ny Fanjakana? Izy izay sady mpisolovava no mpahay lalàna, kanefa mieritreritra ny handika lalàna sy hitoetra eo ambonin’ny lalàna?

Efa mazava ny tenin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo fa tsy azo ampiasaina ny toerana fa amboarina. Ny ben’ny tanàna izay tomponandraikitra voalohany an’io toerana io, kanefa maninona no mbola manao bontolo ihany? Hanimba zavatra ve izany no tanjona satria na ny toerana hanaovana fivoriana ao anatiny aza anie tsy misy satria efa amboarina daholo ny ao e? Izany hoe, mazava be fa tsy tatitra mihitsy no ho atao fa famoriana vahoaka fotsiny dia rehefa vory maro ny vahoaka dia hoforonina ny fifandonana hanehoana fa mikorontana ny firenena. Hanomboka eo amin’izay ny hoe mialà Rajoelina na asio Governemanta iraisana.

Izany rehetra izany dia manaporofo fa tsy tatitra izany mihitsy no tiana hatao fa raha tatitra dia efa natao efa ela. Tsy mitombina mihitsy ny hoe roa taona no nahalany depiote kanefa tsy nieritreritra izay hanao tatitra. Ankehitriny anefa, tampotampoka eo, dia hoe “tsy maintsy hanao tatitra eo Ambohijatovo izahay”. Ny tena marina aza dia manana tombony ireo Depiote ireo amin’ny fananana radio hiresahana amin’ny vahoaka, izay hahafahana manao tatitra ny asa natao teo anivon’ny Antenimieram-pirenena tokoa. Ny zava-misy anefa dia tsy ampiasain’izy ireo amin’izany ny onjampeon’izy ireo ankehitriny fa toa lasa famafazana lainga sy fandrangitana ary fanakianana be fahatany ny asan’ny Fitondram-panjakana rano fotsiny.

Ny Fanoratana.

Fermer