PolitikaSongadim-baovaoSosialy

HETSIKA “FIARA ZO”: Hampahafantarana ny daholobe ny lalàna sy ny zon’ny olompirenena tsirairay

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanombohana ny « caravane du droit » antsoina hoe FIARA ZO izay entina hampahafantarana ny daholobe ny lalàna sy ny zon’ny olompirenena tsirairay. Natao hampanakaikezana ny lalàna amin’ny vahoaka ny hetsika, hanentanana azy ireo hahalala ny zony ihany koa. Tafiditra indrindra ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly izay tanjon’ny Velirano faha-3 an’ny Filoham-pirenena izy ity, satria rehefa mahalala ny lalàna sy ny zony ny olompirenena dia tsy voafitaka sy voasarika amin’ny fanaovana kolikoly.

Ny 26 ka hatramin’ny 28 aprily 2023 ho avy izao no hanatanterahana izany, ka any Anjozorobe                                     no hisantarana azy, aorian’izay dia any Mampikony ny 22 may 2023, ary Fenoarivo Atsinanana ny 5 jona 2023 ary any Ambalavao Tsienimparihy ny 10 jolay 2023. Marihana fa misy mpitsara, mpisolo vava, vadintany, ary “notaires” handray anjara amin’ny Fiara ZO, ary ankoatra ny fanentanana dia hisy koa ny fandraisana ny fitarainan’ny olompirenena manana raharaham-pitsarana ka misedra olana, mba ahafahana mamaha ny olana. Ny fandaharanasan’ny firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana (PNUD) no miara-miombon’antoka amin’ity hetsika ity.

Fermer