PolitikaSongadim-baovao

HETSIKA IRAISAMPIRENENA HO AN’NY FARITRA (JIR) : Handray ny andiany faha-10 ny Faritra DIANA

Fahombiazana no azo tamin’ny fanatanterahana ireo andiany sivy voalohany tamin’ny hetsika iraisampirenena ho an’ny Faritra na ny JIR, izay tarihin’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, niarahany miasa tamin’ireo Minisitera rahavavy sy ireo mpiara-miombona antoka samihafa. Miditra amin’ny andiany faha-10 izao ny hetsika, ary ny Faritra DIANA no handray izany. Nisy ny fampahafantarana izany tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy. Nivoitra nandritra izany fa ny 20, 21, 22 Desambra 2024 izao no hotanterahina any an-toerana ny hetsika, izay hiavaka amin’ireo andiany rehetra efa niseho.
Nampahafantarin’ny Governoran’ny Faritra DIANA, Andriamatoa Taciano Rakotomanga omaly ireo otrikarena ananan’ireo distrika 5 mandrafitra ny faritra DIANA, dia Diego I sy II, Ambilobe, Nosybe, Ambilobe, ary Ambanja. Isan’ireo otrikarena ananan’ny faritra ireo vokatry ny fambolena, ny jono sy ny harena an-dranomasina, ny harena an-kibon’ny tany, ny indostria sy ny fizahan-tany. “Tany manjary ho an’ny toekarena maharitra” no nosafidiana ho lohahevitra amin’ity andiany faha-10 ity, izay natao mba ahafahana mitrandraka araka ny tokony ho izy ireo otrikarena ireo amin’ny alalan’ny fiarahamiasa amin’ny mpiara-miombonantoka samihafa, ireo mpampiasa vola, ireo sehatra tsy miankina ary ny malagasy am-pielezana, mba hisian’ny fampandrosoana ny faritra sy ny hisian’ny fiantraikan’izany fampandrosoana izany amin’ny mponina ao amin’ny faritra.
Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer