Songadim-baovao

HETSIKA MANOKANA TANY AVARATRA : Fiara 182 tsy tomombana ara-teknika, 59 naiditra « fourrière »

Notontosaina tany amin’ny Faritra Avaratry ny Nosy ny fidinana tampoka nataon’ny Foibe fitsarana fiarakodia, nanomboka ny 5 oktobra lasa teo. Naharitra 10 andro ny hetsika ka nahatratra 182 ireo fiara tsy tomombana ara-teknika, raha 59 ireo fiara naiditra ambalam-pamonjana…

 

Marobe ireo fiara tsy mandalo tsirihina ara-teknika.

Nanatanteraka hetsika fidinana tampoka « Contrôle inopiné » ny teo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia tany amin’ny Faritra Avaratry ny Nosy, nanomboka ny 5 oktobra.  Nisy ny hetsika goavana  fitsirihana ara-teknika an-dalambe, amin’ireo fiara nataon’ny Foibe fitsarana Fiarakodia niarahana tamin’ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia sy ny mpitandro filaminana tamin’iny lalam-pirenena fahenina. Nambaran’ny Kapiteny  Razandrinirinjokiny Honoré, lehiben’ny Sampandraharaha eo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia fa « antony manokana nanaovana izao hetsika nandritra ny folo (10) andro izao ny fanaraha-maso ara-teknika ireo fiarakodia mifamezivezy an-dalambe ka ahina hitera-doza ». Tao anatin’ny hetsika, fiara miisa 591 no voasava, 182 no « inaptes » ka fiara enina amin’ireo, tena ratsy. Vokatr’ity hetsika manokana ity, fiara miisa 59 naiditra ambalam-pamonjana satria tsy nanao fitsirihana ara-teknika na « défaut de visite technique » ary fiara miisa sivy mampiasa laharana WW tsy nanao fandraisana ara-teknika na « réception technique ». Manampy ireo, fiara 114, tojo tsy fahatomombanana ara-teknika hafa.

Hotontosaina manerana ny Nosy ny fitsirihina tampoka toa izao.

Manentana hatrany ny foibe fitsarana fiarakodia fa ireo tompona fiara na ny mpamily hikojakoja sy hanamboatra ireo fiarany taorian’izay fihibohana maharitra izay. Nasongadina fa tokony hanatona ireo Ivon-toerana fitsaràna fiarakodia, amin’ny fotoana tokony hanaovany fitsirihana ara-teknika, hahafaha-misoroka ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe ateraky ny tsy fahatomombanana ara-teknika. Marihina fa hitohy sy hihamafy hatrany ny fitsirihana tampoka an-dalambe ary hivelatra manerana ny Nosy.

Fermer