PolitikaSongadim-baovao

HETSIKA POLITIKA: Ny fanaovana hetsika an-dalambe no voaràra fa tsy ny famoriam-bahoaka

Samy nanana ny nandikany azy ireo mpisehatra politika teto Madagasikara, raha naheno ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny 31 Marsa teo. Nisy no nilaza avy hatrany fa fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana izany, ary fanosihosena ny zo fototra ananan’ny Antoko politika sy ny olom-pirenena haneho hevitra. Nanazava omaly ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa ny fanaovana hetsika an-dalambe no noraràna tao anatin’ity fanambarana ity, fa tsy ny famoriam-bahoaka.

“Tsy manafoana ny fahafahana manao hetsika ara-politika ny fepetra nambaran’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana momba ny famoriam-bahoaka. Manamafy aza ny Governemanta ao anatin’izany fa mahazo alalana manao fanehoan-kevitra sy fivoriana politika ny olona rehetra tsy an-kanavaka na mpomba na mpanohitra ny Fitondrana. Fa atao anaty efitrano kosa izany mba hialana amin’ny mety ho fanohintohinana ny fifamoivoizana sy ny fiainam-bahoaka”, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo omaly. Notsindriany fa samihafa ny hoe fivoriam-bahoaka (réunion publique) sy ny fanaovana hetsika an-dalambe (manifestation sur la voie publique), araka ny voalazan’ny andininy voalohany amin’ny didim-panjakana laharana 60-082 tamin’ny 1962. Araka izany, azo atao amin’ny vanim-potoana rehetra ny fivoriana fa tsy maintsy maka fahazoan-dalana. Ny fihetsiketsehana an-dalambe na famoriam-bahoaka an-kalamanjana kosa dia amin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra no ahazoan’ny rehetra manao izany, araka ny voalazan’ny lalàna fehizoro 2018-008 mifehy ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Mbola tsy vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra isika izao, hoy ny minisitra, ka tsy tokony hanohintohina ny fiainam-bahoaka andavanandro ny fanehoan-kevitra politika atao. Tsy ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao mihitsy, hoy izy, no hisakantsakana ny fahalalahana maneho hevitra.

Tetsy ankilany, mbola nitondra fanampim-panazavana mahakasika an’iny fanapahankevitra noraisin’ny Fanjakana iny ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana, Tokely Justin, omaly, tamin’ny alalan’ny fanambarana. Nolazainy fa manome lanja ny fahalalana miteny, maneho hevitra, mivory, miserasera, mikambana, sy ny sisa ny Andininy faha-10 ao amin’ny Lalàmpanorenana malagasy. Mbola ao amin’io andininy io ihany koa anefa no miteny fa manomboka eo amin’ny fahalalahan’ny hafa no fetran’ny fahalalahan’ny tsirairay, ary koa tsy maintsy tandrovina ny filaminam-bahoaka. Fanarahan-dalàna fotsiny, noho izany, no andrasana amin’ny mpanao politika tsirairay, na ny mpomba ny Fitondrana, na ny mpanohitra, amin’ireo hetsika politika rehetra tanterahina.

Fermer