KolontsainaSongadim-baovao
HETSIKA TAGNAMARO : Nolokoina sy nohatsaraina ireo fotodrafitrasa ao amin’ny HOMI Soavinandriana
Niverina indray ny hetsika Tagnamaro, Andron’ny Olom-pirenena rehefa niato nandritra ny fotoana maharitra noho ny toe-java-misy ara-pahasalamana eto amin’ny Firenena ankehitriny. Hetsika izay fanao isaky ny sabotsy fahatelon’ny volana, ka ho an’ny Sabotsy teo dia ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana no nisitraka izany. Fotoana izay nanavaozana ireo fotodrafitrasa fototra ao an-toerana, niarahana tamin’ny Ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Ny taona 2003 no nisy ny fanatsarana farany natao tao amin’ny Sampandraharaha mitsabo ny aretin’ny saina eny amin’ny Hopitaly Miaramila na HOMI Soavinandriana. Marary 6 hatramin’ny 10 no noraisina an-tanana tao hatramin’izay. Noho io antony io indrindra no nisafidianan’ny teo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny hitondrana fanatsarana amin’izany toerana izany, tamin’ny alalan’ny hetsika Tagnamaro, fanao isaky ny Sabotsy fahatelo amin’ny volana. Nitarika izany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana ANDRIATONGARIVO, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa vitsivitsy eo anivon’ny Minisitera foibe, notronin’ireo mpiasa ao amin’ny hopitaly notarihin’ny Tale Jeneralin’ny HOMI.
Tafiditra tao anatin’ireo asa natao, noho izany, ny fanesorana ireo lobolobo rehetra izay nanaratsy endrika ity toerana ity, nolokoina sy nohatsaraina ihany koa ireo fotodrafitrasa fototra tsy afa-misaraka amin’ny fitsaboana atao sy ny fandraisana olona, ankoatra ny fanadiovana faobe.
Nankatoavin’ny Antenimiera roa tonta
Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nilaza ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa raha tsy misy ny fiovana, dia hiverina hatao isam-bolana, isaky ny Sabotsy fahatelo ny hetsika Tagnamaro. Tsiahivina ihany koa fa efa nankatoavin’ny Antenimiera roa tonta, izay hiandrasana fankatoavana avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana, ny fifampitaizana amin’ny samy olom-pirenena vanona, ka nampidirana ny Tagnamaro ao anatin’ny Politikam-pirenena momba ny Kolontsaina.
Tsara ho fantatra fa taorian’ny fiatoana amam-bolana maro izay, noho ny tsy fahafahana mamory olona vokatry ny aretina Coronavirus, niezaka namerina tsikelikely ny fivoizana ny lalan-tsaina fonosin’ity hetsika fanaingana ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena ity ny Minisitera. Niara-niainga avokoa, araka izany, ny hetsika rehetra nanerana ny Nosy ny sabotsy teo. Raha ny Tagnamaro natao teny amin’ny Hopitaly miaramila ity, voahaja tamin’ny antsakany sy andavany avokoa ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana samihafa, taorian’ny fanapahan-kevitra napetraky ny Fitondram-panjakana, isan’izany ny fanajana ny fetr’isa ho 400 amin’ireo mpiara-miasa nandray anjara tamin’ ny asa.




