PolitikaSongadim-baovao
HETSIKA TSY NAHAZOANA ALALANA: Manohy manao sorona ny mpomba azy ireo kandidà 10
Mitohy hatrany ity fihetsiketsehana politika ataon’ny Kandidà miisa 10 ity amin’izao fotoana efa manakaiky fifidianana izao. Fantatra anefa, fa tsy nahazoana alalana hatrany izany, ka nandraisan’ny Mpitandro filaminana fepetra, mba tsy hisian’ny fikorontanana sy ny fanelingelenana ny fiainana andavanandron’ny mponina…
Teny Mahamasina omaly no nanatanterahan’ireo kandidà 10 ny hetsika tsy nahazoana alalana. Raha mbola taraiky teny amin’ny Antenimierampirenena ireo kandidà mpiara-dia amin’izy ireo, dia Solombavambahoaka vitsivitsy avy amin’ny fanoherana no nitarika ny hetsika teny an-toerana. Tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany tolakandro anefa, dia tonga teny an-toerana ny sasany tamin’ireo kandidà 10, ary nisy fitarihana ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Nandray fepetra tsy hahatanteraka izany ireo Mpitandro filaminana ka nisambotra avy hatrany ny Solombavambahoaka Tim iray, izay voalaza fa niloa-bava tamin’io fitarihan’olona ho eny Analakely io. Nitondra fanazavana mikasika izany ny avy amin’ny EMMO-NAT, omaly hariva, nilazan’izy ireo fa efa nisy fanaparitahana mialoha sy am-bava ireo olona tonga teny an-toerana, amin’ny maha hetsika tsy nahazoana alalana azy. Niziriziry tamin’ny heviny teo anefa, ireto olom-bitsy sy ny mpitarika azy, ary tonga tamin’io fitaomana ho eny amin’ny 13 mey io, ka anton’ny fisamborana. Hatramin’ny omaly hariva, dia fantatra, fa notanana sy atao fanadihadiana teny amin’ny Zandarimaria eny Fiadanana ity Depiote iray ity. Efa nisy moa ny fihetsiketsehana nataon’ireo Depiote vitsivitsy namany teny Fiadanana, izay nitabataba fa tsy tokony hotazonina toy izany ity depiote ity, noho ny fananany zo tsy azo samborina, eo koa ny mbola maha ao anaty fotoam-pivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena. Mazava kosa ny anton’ny fisamborana araka io fanazavana io, fa ny fitaomana olona ho eny amin’ny toerana efa voarara tsy azo anaovana fihetsiketsehana, sady fitarihana olona an-dalambe tsy nahazoana alalana.
Nandritra io fisamborana Depiote io koa, no nitrangana savorovoro ka naharatrana Mpitandro filaminana sy sivily vitsivitsy, raha ny fanampim-panazavana. “Voatery nanaparitaka azy ireo tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso izahay noho io fikasihan-tanana mpitandro filaminana io”, raha ny fanampim-panazavana. Ankoatra izay, voalazan’ny EMMO-NAT ihany koa, fa nisy fampiasan’izy ireo basy manana bala “Caoutchou” nandritra io hetsika omaly io, izay voalaza hatrany fa anaty fomba fanaparitahana olona amina hetsika tsy nahazoana alalana tahaka izao.
Nisy bala tsy mbola nipoaka mampiahiahy
Nandritra io sakoroka tetsy Mahamasina io no nahitana bala iray ana poleta, izay tsy mbola nipoaka fa ivelan’ny basy sy hita latsaka tamin’ny tany. Nambaran’ny EMMO-NAT hatrany, anefa, fa tsy nampiasa fitaovam-piadiana afa-tsy ny baomba mandatsa-dranomaso sy caoutchou izy ireo. “Ny fomba fanaparitahana olona dia fitaovana manara-penitra, izay tsy famonoana olona fa fanaparitahana fotsiny ihany mba tsy hisian’ny rà mandriaka”. Hatreto anefa, tsy mbola fantatra mazava ny niavian’io bala tsy mbola nipoaka hita tamin’ny tany io, ary nambaran’ireo Mpitandro filaminana fa tsy maintsy misy fanadihadiana atao mikasika izany. “Misy olona te handoto rano anay Mpitandro filaminana. Tsy manadio tena anefa, izahay hoe tsy avy taty aminay io bala io, saingy tsy miala amin’ny fanadihadiana kosa, hamantarana ny niavian’izany, izay mety ho avy amin’ny sasany koa”. Ankoatra io Solombavambahoaka io dia fantatra, fa nisy sivily voalaza fa “gros bras” ihany koa voasambotra tao anatin’ty hetsika teny mahamasina ity.
Stan R.




