PolitikaSongadim-baovao
HETSIKY NY MPANOHITRA: Handray fepetra manokana ny EMMO-FAR
Mitohy hatrany ankehitriny ny fanentanana olona ataon’ny avy amin’ny fanoherana mahakasika ilay hetsika kasain’izy ireo hatao ny Sabotsy izao. Hetsika izay mbola tsy namoahana fahazoan-dalana, hatramin’ny omaly. Izy ireo rahateo nilaza fa tsy haka fahazoan-dalana amin’ny hetsika izay hataony. Manoloana izany, nanambara ny teo anivon’ny EMMO-FAR fa handray fepetra manokana amin’io andron’ny 06 Febroary io, ary tsy hanaiky ny fanakorontanana amin’ny endriny rehetra.
Mbola tsy naharay taratasy avy amin’ny Prefen’Antananarivo, izay sady Prefen’Analamanga, mikasika ny hetsika kasain’ny mpanohitra tanterahina ny Sabotsy izao, ny teo anivon’ny mpitandro filaminana. Eo anatrehan’izany, tsy maintsy mandray andraikitra ny eto amin’ny Emmo Faritany Antananarivo sy ny Emmo-Reg Analamanga, araka ny fanambarana nataon’ny Jeneraly Andry Rakotondrazaka, Kaomandin’ny Tobi-paritra Antananarivo. Hisy, noho izany, fepetra manokana raisina mba hahazoana mampandry fahalemana ny faritra izay iandraiketana.
“Raha misy olona mieritreritra ny hanao fandrobana sy fanakorontanana, fibahanana arabe, fandikan-dalàna isan-karazany, dia handray andraikitra avy hatrany ny mpitandro filaminana, izay efa mipetraka amin’ireo toerana tokony hisy mpitandro filaminana rehetra, manerana an’Antananarivo”, hoy ny fanazavana. Izany hoe, mialoha sy mandritra ary aorian’io hetsika amin’ny sabotsy ho avy izao io, no hihatra ny fepetra manokana raisin’ny mpitandro filaminana. Tanjona ny mba hahafahan’ny olona miaina ny fiainany andavanandro, araka ny fanazavana. Ary tsy azo ekena mihitsy ny fanakorontanana, ny fandikan-dalàna izay ataon’ny olona na iza na iza amin’io fotoana io. Nilaza ity tomponandraikitra ity fa efa nanomboka tamin’ny herinandro teo ny fanaovana « Patrouille » andro aman’alina nataon’ny Emmo Reg Analamanga. Mitohy izany mandrak’ankehitriny, ary indrindra amin’ny andron’ny 06 Febroary.
Ambadika politika goavana!
Hatramin’ny omaly, tsy mbola nilaza mazava izay toerana ho alehany ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny fanoherana. Lazaina fa “fitsangantsanganana” no ho atao. Taiza teto ambonin’ny tany no nisy hoe handeha hitsangatsangana saingy tsy lazaina mihitsy ny toerana handehanana hatramin’ny ora farany? Manam-porofo izany fa misy kajikajy politika avo lenta ny an’ny mpanohitra raha hanao io hetsika amin’ny sabotsy izao io. Mazava be fa tetika hafa no kendrena, tsy hitsangatsangana fa hanakorontana, handatsa-drà ary handroba sy handrava. Ny toromarika re farany dia hoe miainga eny amin’ny Magro Tanjombato ny hetsika amin’ny Sabotsy izao. Miainga eo dia mankaiza? Miara-mizotra mankaiza? Efa mazava ny tian’ny mpanohitra atao, dia ny hisian’ny fifandonana eo amin’ny olon-tsotra sy ny mpitandro filaminana, mba hisian’ny ra lasaka, ka hanaratsiana endrika ny Fitondrana ankehitriny indray avy eo ho manao hery famoretana sy tsy manaja Demokrasia. Kanefa, fampanjana ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny firenena ho atao, ary ho fitandroana ny tsy hisian’ny fanakorontanana.
Ny Fanoratana.




